Mois : août 2025

Fanavotana aina : Nofanina ireo mpanentana ara-pahasalamana

Nomen’ny Croix Rouge fiofanana ireo mpanentana ara-pahasalamana tao Lo­komby, Vatana, Nato, Beretra, Ambila ary Mitanty, any Atsinanana. Ireo toerana misy monina kanefa tena lavitra toeram-pitsaboana no nanaovana izany hetsika izany ho famonjena aina ireo mponina tra-doza. Lasa andry voalohany manoloana ny fiatrehana ny loza ireo mpanentana ara-pahasalamana nahazo fiofanana. Mahafehy […]

Leo Club Antsirabe : Nanome tolotra fahasalamana

Nisy ny fitiliana diabeta 250 isa sy fizahana maso tsy voafetra avy amin’ny Leo Club Antananarivo sy Antsirabe ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Mudia Antsirabe Piste Vatofotsy. Anisan’ny sahanasa hiantsorohan’ny Lions club ny diabeta, ny fahitana, ny homamiadan’ny ankizy, ny tontolo iainana ary ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ny tanànan’Antsirabe […]

Tetikasa Tafita Jica : Hatsaraina ny lentam-pahaizana amin’ny sekoly miisa 13 000

Hisitraka ny fanohanan’ny japoney ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Sekoly fanabeazana fototra miisa 13 000 no hahazo tombony amin’izany. Nohamafisana nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny solontenan’ny tetikasa Tafita Jica, Odawara Kosuke, omaly, ny fiaraha-miasan’i Japon sy i Mada­gasikara amin’ny sehatry ny fanabeazana. Mifototra amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Niova ny feo! Tsy ny feo no niova fa ilay fahaizana sy fanajana ny teny malagasy mihitsy no tsy ao anatin’ny tanora sasany intsony. Mitranga sy miharihary any amin’ny hira ankehitriny ihany koa izy io. Sady efa tsy feo malagasy intsony no mbola tsy mahay manonona ny ny teny malagasy […]

Tetikasa « Vindiecate »: Fitiliana sy tosika ho an’ireo talenta vao

Mahavelombolo hatrany ireo tetikasa miforona eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Vaovao indray ity entin’ny fikambanana Limbo.Org ity, izay hotontosaina manomboka ny 30 aogositra izao, etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. «Vindiecate» ny anaran’ny tetikasa, izay natao hitiliana sy hitondrana fanampiana ho an’ireo ma­nan-talenta kanefa tsy mbola tafiditra anatin’ny rafitra matihanina. […]