Faharesena misesy ny azon’ny Akion’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny “Can U17”, vehivavy. Mbola resin’i Kenya indray izy ireo. Nitohy omaly alakamisy, tao amin’ny Kianja Complexe Miloud Hadfi, Algerie, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Tojo faharesena fanindroany indray ny Akion’i Madagasikara. […]
Mois : septembre 2025
Kaominina Antambolo : Manomboka mamboly sakay pilokely sy vavamborona
Mpamboly avokoa ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Antambolo, distrika Arivonimamo, faritra Itasy, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Maro karazana ny vokatra vokarin’izy ireo. Ahitana ny voatabia, ny voasary sy ny vary ary ny maro hafa. Anisan’ny mamatsy vokatra voatabia ho an’ny tanànan’i Mahitsy, i […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisy tetikasa hanodinana fako 800 t/andro ho lasa angovo eto Antananarivo. Hamokatra herinaratra 13 MW izany foibe izany hamatsiana ny Renivohitra sy ny manodidina. Efa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2025 ny fanatanterahana ity tetikasan’ny Filoham-pirenena ity. Hivoaka tsy ho ela ny fandefasana ny antso tolobidy ho an’izay orinasa hanatanteraka azy […]
Flyover Anosizato : Hasiana Tetezana, hitarina ny RN1 sy ny RN 58A
Hanomboka tsy ho ela ny fanorenana ny fotodrafitrasa lalana Flyover eny Anosizato. Efa nivoaka ny antso tolotrasa ho an’ny orinasa hanao ny fanorenana. Mitentina 25,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Badea). Efa nisy ny antso tolotrasa iraisam-pirenena navoaka tamin’ny taona 2023 sy […]
Fitantanana ny ACM : Tsy mbola voatendry ny tale jeneraly vaovao
Araka ny fikarohana natao omaly, tsy mbola tazana tao anaty tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fanendrena izay ho tale jeneralin’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara (ACM). Marihina fa efa namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikà (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny ACM, […]




