Mois : septembre 2025

« IJF Tour – Grand Prix Qingdao » : Nandrombaka medaly volafotsy Rasoanaivo Laura

Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja Judo, sokajy vehivavy, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura. Nahazo medaly volafotsy ny tenany, tamin’izany, ary notolorany ho an’ny Malagasy ny medaly azony. Ny zava-drehetra dia azo tanterahina! Nandrom­baka medaly volafotsy, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena, amin’ny taranja Judo, izay natao tany Chine, ny faran’ny herinandro teo, […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso fifampidinihana maika ny eo anivon’ny sendikà Fisema, manoloana ny raharaham-pirenena. Hatao izany hamerenana haingana ny fiainam-bahoaka sy ho fisorohana ny lonilony eo amin’ny fiarahamonina. « Miantso ny olon-kendry sy ny manam-panahy sy hifanatona hamory ireo herivelona, hikarohana vahaolana », hoy izy ireo. Nidera ireo tanora eo anivon’ny Gen Z nitarika ny […]

Toe-draharaham-pirenena: Miantso fivoriana tsy ara-potoana ireo depiote

“Manambara izahay fa hiantso fivoriana tsy ara-potoana hahazoana mandinika sy mijery vahaolana haingana sy maharitra hamahana ny olan’ny firenena, na ara-tsosialy, na ara-politika, na ara-toekarena sy ny rehetra araka ny tandrifim-pahefana nomen’ny lalàmpanorenana anay.” Izay ny fanambaran’ireo depiote tsy anavahana firehana politika nentin’ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny […]

Ny isavorovoroan-kilantoana

  Aorian’ny savorovoro, tsy tokony hisy filantoana na filaminana amin’izay? Tsy azo iainana fa famonoan-tena ny korontan-dava mandavantaona. Izay tsy miady olom-bodo, fa ny to fo mamosavy. Mila lantoina sy tony izao ny fihetseham-po tsy voafehy, na hatezerana, na lonilony… ? Eny hatramin’ny fanararaotana amin’ny fanaovana herisetra, fanimban-javatra, fandrobana, barofo… […]

Toe-draharaham-pirenena : Miantso fifampiresahana ny filohan’ny FJKM

Anisan’ny nanao fanambarana koa ny eo anivon’ny birao foibe FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, Andriamampianina Zaka Harimasy. Niompana amin’ny toe-draharaham-pirenena izany hafatra izany. Niantso ny rehetra hampiato ny fifampihantsiana miseho amin’ny endrika maro samihafa ny tenany tamin’izany. « Mitaona antsika ho amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana mba hisian’ny filaminana sy ny fiainam-piarahamonina […]