Mpamaky trano telo lahy voasambotry ny polisin’ny UIR tao Taolagnaro. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray tao Tanambao ireo mpandroba. Nidina ifotony ny polisy ka nifanenjehana ireo telo lahy nanao ny asa ratsy. Mivondrona avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy eny anivon’ny fokontany maro eto Antananarivo Renivohitra, taorian’ny fisian’ny fandrobana niseholany ny […]
Mois : septembre 2025
Fanafihana : Dahalo telo maty voatifitra
Telo lahy anatin’ny fikamban-jiolahy nikasa hangalatra omby lavon’ny mpitandro filaminana tao Fanjakamandroso, kaominina Ankadinondry, ny 25 septambra lasa teo. Naharay antso tamin’ny olon-tsotra ny kaomandin’ny tobim-paritra Mahasolo, tamin’ny 2 ora tolakandro, fa misy andian-jiolahy mitady hangalatr’omby. Nidina ifotony hijery ireo andian’olona nikomy haka ny fananan’ny hafa ireo ny zandary. Nihazo […]
Tsy manan-kialofana : Rangahy hita faty teo amoron-dalana
Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona hita faty tany Mahabibo Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 5ora. Vatana mangatsiaka efa tsy misy aina intsony no hitan’ny olona sy ny mpandalo teo amoron-dalana. Nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany izy ireo taorian’ny tranga. Tonga teny an-toerana nizaha ny razana ny mpitsabo avy amin’ny BMH. […]
Fitokonan’ny Gen Z : Navotsotra ireo fito voasambotra
Nirefotra indray ny lakrimozenina teny Tsiadana Ampasanimalo, ny sabotsy 27 septambra lasa teo. Niparitaka ireo Gen Z rehefa tsy naharesy tosika ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fikasan’ireo mpitokona mikambana anatin’ny Génération Z na « Gen Z » hihazo ny Kianjan’Ambohijatovo, niatrana teny an-toerana avokoa ny mpitandro filaminana, nahitana ny Tafika, zandary ary polisy. […]




