Mois : septembre 2025

INDRAY MIJERY

Tombanana hihamafy ny fisehoan’ny tsy fanjairan-tsakafo mahery vaika ho an’ny faritra Atsimo sy ao Ikongo, eo anelanelan’ny volana mey lasa teo ka hatramin’ny volana avrily 2026. Amin’izao fotoana izao, ma­hatratra 558 000 ireo zaza latsaky ny 5 taona efa tratran’izany na koa ahina ho voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, araka ny […]

Fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza : Nisy fanofanana sy fakan-kevitra tao Vangaindrano

Nikarakara hetsika fanofanana sy fakan-kevitra tao Van­gaindrano, ny fiandohan’ny vo­lana teo, ary naharitra ha­dimiana, niaraka ny Birao na­sionaly misahana ny fitantana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny mpiara-miombon’antoka WHH- Deutsche Welthunger­hilfe ary ny Unicef. Ho fanamafisana ny fahavononan’ny fiarahamonina amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivo-doza ho avy sy ho fampidirana […]

Lalaina Zanadrano : Sambany tsy nahomby tamin’ny fikarohana

Natsingevan’ny ranomasina tany amin’ny 10 kilometatra miala ny faritra nilomanosany i Nathan, ilay tovolahy natelin’ny ranomasina, ny tolakandron’ny talata  9 septambra teo. Ny alakamisy alina, tokony ho tamin’ny 7 ora izy, no hitan’ny mpanjono teny ambonin’ny ranomasina, tao Nosindafaza, efa any amin’ny faritr’i Toamasina Ambanivohitra. Amin’ny ankapobeny, disadisam-piarahamonina aminy sy ny dadany, ny […]

Fonjan’Antalaha : Nahazo fiofanana avy amin’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika ireo voafonja

Anisan’ireo nahazo fanofanana arakasa avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ny voafonja ao amin’ny fonjan’Antalaha. Nomena mari-piofanana ireo nahavita izany. Any Sambava, faritra Sa­va, ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloa­ri­soa Marie Marcelline, ao anatin’ny fandaharanasa ho fanatsarana sy fanamafisana ny sehatry ny fanofanana arakasa […]

Atletisma – «Mondiaux 2025»: Nihintsana i Sidonie Fiadanantsoa

Tanterahina any Tokyo, Japon, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja atletisma «Mondiaux 2025». Manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Sidonie Fiadanantsoa. Omaly, nihazakazaka teo amin’ny 100 m misy fefy ny tovovavy. Vao tany amin’ny fifanintsanana dia efa nihintsana izy. 13 s 27% ny nahavitany ny halavirana ary […]