Mois : septembre 2025

« Opération Bokiko » : Manampy ny talenta vao

Isaky ny sabotsy voalohan’ny volana. Manatontosa atrikasa momba ny tontolon’ny boky ny « Opération Bokiko ». Hetsika iray ho fanampiana ireo manan-talenta sy ireo maniry ny hirotsaka eo amin’ny asa soratra sy ny boky. Ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina ny andiany faharoa izay nanasana manokana an’i […]

TSELATRA

Lehilahy iray hita faty nisy namono tetsy akaikin’ny Ambasady Amerikanina ny sabotsy teo. Mpandalo no nahita ny vatana mangatsiaka nivalampatra tamin’ny tany ka nampandre ny tomponandraikitra. Nahitana dian’antsy roa ny vatany. Hita teo amin’ny kibony ny roa ary teo amin’ny tendany ny iray, toarian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Nentina nihazo […]

Olona telo voasambotra: Zaza hita faty tsy nisy taovam-pananahana

Nesorin’ireo tsy valahara ny taovam-pananahan’ny za­za fito taona hita faty tao Mahatazana, kaominina An­dilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny marain’ny alahady 7 septambra teo. Mpiva­rotra ny ray aman-drenin’io zazalahy io ka matetika ajanon’ny ray aman-dreniny ao an-trano ireo zanany. Tsy tsikaritry ny manodidina, araka izany, ny tsy fahitana ilay zaza raha […]

Depot fahefatra: Anjakan’ny jiolahy tanteraka

Lasa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao amin’ny Toamasina ankehitriny. Nidiran’ny andian-jiolahy mirongo fiadiana ny tokantrano iray tany amin’ny fokontany Depot fahefatra, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Notafihan’ireo jiolahy ireo ny renim-pianakaviana mpikirakira tranoheva fanakalozam-bola sy fahana finday. Lasan’izy ireo ny finday miisa dimy tao an-tokatrano, sy vola […]