Mois : septembre 2025

Faran’ny herinandro : Namoizan’aina olona efatra ny lozam-pifamoizana

Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahatratra efatra ireo olona namoy ny ainy vokatr’izany. Olona telo maty vokatry ny fianjeran’ny taksiborosy tany anaty hantsana. Maty vokatry ny fifandonana teny amin’ny RN7 ny Pretra iray hafa. Niharan-doza teo amin’ny fokontany Amba­to­mivaha, distrikan’i Man­jakandriana teo amin’ny la­lam-pirenena faharoa ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nampiaiky izao tontolo izao ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika, araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis tany Belo Tsiribihina, ny zoma teo. « Tena miroso amin’izany isika, indrindra ny fanajana ny olona eny amin’ny fonja », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Bianco sy ny Fadintseranana […]

Fivoriambe hatao any New York : Hamaritra ireo laharam-pahamehana ny ONU

Hanomboka rahampitso, any New York, ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-80. Miisa 193 ireo firenena handray anjara amin’izany ka anisany i Madagasikara. Anisan’ny lohahevitra lehibe amin’ity fihaonana an-tampony ity ny 80 taonan’ny ONU, nanehoana ny fiaraha-mientana ho amin’ny filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny […]

Fa na beazana…

  8 septambra, Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny firenena. Eo ny hoe ny tsy fahalalana ny tsy fahalalan’ny tena no tsy fahalalana voalohany. Ilaina mandrakariva ny mianatra, mahay… 8 septambra, fidiran’ny mpianatra koa amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry: Nitokana fotodrafitrasa maro

Nahazo fotodrafitrasa maro i Morondava. Tonga nitokana izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Biraon’ny fitaleavam-paritry ny asa, biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka misy efitra 22, lalana rarivato 1,6 km Andakabe-Andabatoara, EPP manara-penitra misy efitra 24, kianja manara-penitra mahazaka olona 4 000… Ireo no notokanan’ny filoha Rajoelina Andry niaraka tamin’ny delegasionina notarihiny, […]