Mois : septembre 2025

Tetikasa ASAM: Hampiroboroboina ny famokarana anaty rano

Hiara-kiasa ny Fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Ma­tsiatra Ambony sy ny APDRA, ao anatin’ny tetikasa Asam 4F. Manatanteraka azy ny APDRA sy ny GIZ, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà ara-bola. Natao sonia ny 2 septambra teo, tany Fianarantsoa, ny fifanarahana. Haharitra herintaona izany ary hisy ny tombana atao amin’ny fivoaran’ny fandrosoan’ny asa sy […]

GEF6-AMP : Faritra arovana an-dranomasina vaovao 3 mitotaly 1,5 tapitrisa ha

Mitombo hatrany ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP) arovana sy tantanina eto Madagasikara. Ho tratra tsy ho ela ny tanjona 2,4 tapitrisa ha natao fanamby tany Sydney. Dingana lehibe! Natao sonia, omaly, ny fifanarahana ho fanitarana sy fananganana Faritra an-dranomasina (AMP) eto Madaga­si­kara, mitotaly 1,5 tapitrisa he­kitara, ao anatin’ny tetikasa GEF6-AMP. […]

TARATRY ny KANTO

Lany sahady ny tapakilan’ny AmbondronA! Nanao fanambarana ny tarika, omaly, fa efa tsy misy amidy intsony ny tapakila rehetra, ho an’ny seho faharoa ny alahady 21 septambra. Mbola misy vitsivitsy kosa ho an’ny seho voalohany ny zoma 19 septambra, saingy hisy fandaminana vaovao amin’ny fanjifana izany. Mahakasika ny seho indroa […]

Miray lalana ny fanabeazana sy ny kanto: Manohy ny seho eto an-toerana i Zook Davids

Taorian’ny diany tany ivelany. Manohy ny fampisehoana eto an-tanindrazana i Zook Davids. Anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Hebrona Ano­sizato izy sy ireo mpiray sehatra aminy. Tsy ho ela, hitodidoha ho an’ny Mahajanga indray ny tarika. Ankoatra ny maha seho sy hira evanjelika. Mampiavaka ny fampisehoana […]

Sehatra bagasy : Hisy ny atrikefa bagasy hira voafantina

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Sehatra Bagasy volana septambra ny «Atrikefa bagasy hira voafantina». Hetsika hotontosaina ny sabotsy 6 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola. Fampisehoana sy fifanakalozana hanentanana ny mpikambana ao amin’ny Sehatra Bagasy sy […]