Mois : septembre 2025

Karate Tanà Ville-« Kids Cup&U14 » : Nahazo medaly 18 ny ny klioban’ny Tekado

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Re­nivohitra, taranja karate. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny klioban’ny Tekado. Karatekas 18 no solontenan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity ary tena tsa­ra ny vokatra azo. Medaly 18 be izao noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tekado, […]

Tolona torapasika- Afrika: Nahena ny isan’ny atleta noho ny olana ara-bola

Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”. Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 ha­tramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika […]

Barean’i Madagasikara : Homena villa tsirairay ny mpilalao

Tonga an-tanindrazana ny Barean’i Madagasikara, omaly. Noraisina ta­min’ny fomba ma­ne­triketrika izy ireo. Notoloran’ny fitondram-panjakana villa tsirairay avy ny mpilalao sy ny mpanazatra. Miavaka! Tafaverina omaly, teto an-tanindrazana, ny ekipa na­sio­naly Barean’i Madagasi­ka­ra, izay avy niatrika ny “Chan 2024”, tany Kenya, Ouganda, Tanza­nia, ny 1-30 aogositra lasa teo. Rehefa tonga teny […]

FANTINA sy FINTINA

Miahiahy ny ain’ilay vahiny voasaringotra amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpisolovava azy, Rafidison Eric. Nambarany fa takiny hatrany ny hiarovana an’ilay tompon’ny orinasa Udaan aviation, Khuhwinder Singh. « Tsy jiolahy ny olona arovanay », hoy ihany izy. Tsiahivina fa miisa 22 ireo nampidirina am-ponja amin’io raharaha io. Nampiaka-peo ny avy amin’ny mpanohitra, […]