Manomboka miditra tsikelikely ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, amin’ity herinandro ity. Amin’ny herinandro ambony kosa no hanatanteraka izany ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Ny 2 sy ny 3 septambra izao no hanatanterahan’ny Madajeunes ny hetsika “Salon des études supérieures” andiany faha-22. Sehatra iray ho an’ireo vao […]
Mois : septembre 2025
Sendika Triade : « Marary ny mpiasan’ny fahasalamana »
Nampahafantatra ny fijoroany sy ny fitakiany ny Sendika ivondronan’ireo dokotera sy ny Paramed, mpiasa sy mpandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana (Triade). Mitarika izany ny Dr Ravelojoeliandriambeloaritafika. « Marary ary very hasina tanteraka ny mpiasan’ny fahasalamana », hoy izy ireo, tetsy Antaninarenina, ny sabotsy teo. Nambaran’izy ireo ho antony nijoron’ny sendika izany mba […]
Tetikasa “Haratonaina” : Fandaharanasa maro hanohanana ny marefo
Miompana amina karazana fandaharanasa maro ny tetikasa “Haratonaina”, izay fomba isintonana ny ankohonana marefo avy ao anaty fahantrana lalina. Ho an’ireo fandaharanasa fiahiana ny mpiara-belona an-tanàn-dehibe manokana, nisy ireo fiofanana marolafy, toy ny fanamboarana mofomamy, fikojakojana ny endrika amam-bika, zaitra, rafitra…. Tanterahina eny anivon’ny Sehatra Mahasoa kosa ny fizarana sy […]
Ady amin’ny fampiasana ankizy-2025-2040 : Novolavolaina ny drafitrasa nasionaly faharoa
Mbola ady ifarimbonan’ny sehatra maro ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Namarana ny fakan-kevitra mahakasika izany ny tany Atsimo, ahafahana mamolavola drafitrasa nasionaly faharoa. Natao tao taolagnaro ny atrikasa fakan-kevitra, ho an’ny faritra Atsimo, momba ny fandrafetana ny drafitrasa nasionaly iadiana amin’ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2025-2040 (PNA LTE II […]
Basikety-Mada U20 : Tompondaka ny EBF sy ny NBE
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonimamo, ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny NBE Vakinankaratra ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny ekipan’ny EBF Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa fifaninanana mamarana ny taona, […]




