Mois : septembre 2025

Filankevi-pirenen’ny Seces : Mitaky ainga vao ny tontolon’ny fampianarana ambony

Nilaza mahitsy ny amin’ireo fanarenana sy soso-kevitra hitondra ainga vao ho an’ny fampianarana ambony ny Seces. Hipaka amin’ny mpianatra sy ny mampianatra ny fanatanterahana izany. Nanatanteraka ny filankevi-pirenena ny Sen­dikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) tamin’ ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny tokony hitondrana ainga vao ho an’ny fampianarana ambony […]

Hetsika « Leo delestazy »: Manameloka ny fikasihan-tanana mpanao gazety ny OJM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ny tranga niseho tamin’ny hetsika « Leo delestazy sy rano », omaly. «Manameloka ny fi­kasihan-tanana nataon’ny mpitandro filaminana ny mpanao gazety raha nanao ny asany nanamarika ny zava-nitranga iny izahay », hoy izy ireo. Nanterin’ny OJM fa nanatanteraka ny adidiny amin’ny fanomezana […]

TARATRY ny KANTO

Nanambara ihany koa i Nate Tex, omaly, fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny seho tokony hataony anio, ao Antsirabe. Nafanafana ihany koa mantsy ny tany an-toerana, izay ahina hisy fiantraikany anio. Na izany aza, nampanantena ity mpanakanto ity fa tsy maintsy hisy ny fihaoanany amin’ireo mpankafy any Vakinankaratra. Na izany […]

Fi.Mpi.Ma : Hanofana momba ny fiatrehana olana

Mitohy hatrany ireo karazana fiofanana omen’ny Fikamba­nan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Rahampitso 27 septambra, manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva, hanazava sy hampiofana momba ny lohahevitra « Fomba fiatrehana olana » ny filoha mpanampy eo anivon’ny foibe Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany, Razanamasy Tsikitsiky. Tafiditra ao anatin’ny fanatevenam-pahalalana hahafahana miatrika […]