Mois : septembre 2025

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena […]

Baolina kitra : Hilalao ao amin’ny Al Merrikh SC i Fenohasina

Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. […]

Échecs-“Mondial Jeunes” : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara. 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no […]

Tafika Malagasy : Manamafy ny fiaraha-miasa marolafy ny Tafika indianina

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana sy arakasa ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, tao amin’ny toeram-piasany Andohalo, omaly ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny masoivohon’i Inde. Nitarika izany ny Kly Devashish Dikshit, sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Voaresaka tamin’izany ny fa­natsarana ny fifandraisana ara-tafika misy eo amin’ny roa tonta […]

Fiainana andavanandro : Manodidina ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny savoka

Anisan’ireo singa iray ahafahana mampangirana zavatra ny savoka, ary betsaka amin’ny Mala­gasy no mampiasa izany hanadiovana trano. Efa mahatratra 30 000 Ariary ny kilaon’izy ireny eny an-tsena. Ny savoka. Akora iray manana toetra manokana, malefaka sy mora miempo rehefa misy hafanana ny savoka ary mivaingana rehefa mangatsiaka. Araka ny fanadihadiana […]