Mois : septembre 2025

Tsarasaotra secteur 9 : Hanafaka ny delestazy ny « Parc Solaire 100 MWc »

Nampahafantatra ny fizotran’ny tetikasa Parc Solaire etsy Tsarasaotra Ivato ny avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Rano. Midadasika ny tetikasa Parc Solaire etsy Tsarasaotra ary heverina fa hitondra vahaolana amin’ny vesatry ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina ny fahavitan’izany ao­riana ao. […]

Hetsika eo Ambohijatovo : Mailo ny masoivoho frantsay

Namoaka fanambarana manoloana ny «Hetsika 25 septambra», anio, ny eo anivon’ny masoivoho frantsay. Niantso ireo terataniny rehetra mba hisoroka araka izay azo atao mba tsy hivezivezy eny amin’iny faritra Ambohijatovo sy ny manodidina iny, ho an’ny anio, manoloana izany fihetsiketsehana hiseho izany, ny fanambarana. Nanentana ireo teratany frantsay koa ny […]

Governora Rasoamaromaka Hery: « Tsy mila korontana intsony i Madagasikara »

Nambaran’ny governora an’Analamanga, Rasoama­romaka Hery, tetsy Ambo­hidahy, omaly, fa tsy mendrika ny hasiana korontana in­tsony eto Madagasikara. Nohamafisiny hatrany fa tsy mety ho an’ny Malagasy in­tsony izany, indrindra ny resaka fanimbana fananan’olona. «Manoloana ireny resaka anaty tambajotran-tserasera ireny, amiko manokana dia tsy mety amintsika intsony ny manimba fananan’olona iza­ny», hoy […]

« Hetsika 25 septambra »: Manameloka fikotrehana korontana ireo loholona

Nanao fanambarana miaraka ireo loholona manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsipahin’izy ireo ny hetsika hotanterahina, anio eny Ambohijatovo. «Manameloka ny fikotrehana korontana amin’ny fomba rehetra ataon’ny mpanohitra ka hitadiavana hanaovana sorona ny vahoaka sy ny firenena izahay», hoy izy ireo. Nohelohin’izy ireo koa ny fandranitana fankahalana sy […]