Trano iray misy rihana no nirehitra tetsy Ankadifotsy Befelatanana akaikin’ny “Gascom”, omaly atoandro tamin’ny 12 ora latsaka dimy. May kilan’ny afo tanteraka, tamin’ izany, ny efitrano roa tany amin’ny rihana voalohany. Levon’ny afo tao ihany koa ireo entana rehetra. Niainga tao amin’ny efitra iray tao amin’ny rihana ambony ny afo, […]
Mois : septembre 2025
Volley-Mada 1D : Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio
Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division” lahy sy vavy. Ekipa 4 isaky ny vondrona manana isa ambony indrindra no hifandona mandritra ity ampahefa-dalana ity. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lalao anisan’ny nandrasana ny teo […]
Filoha Rajoelina tao amin’ny ONU: « Tsy mitondra fitoniana ny fifandonana »
Niakatra teo amin’ny pilopitran’ny Firenena mikambana (ONU) any New York ny filoha Rajoelina Andry, nandaha-teny, aninkeheo tamin’ny 2 ora maraina. Nambarany tamin’izany ny antso avo sy ny fametrahana filaminana maneran-tany. «Tsy vahaolana ny fizarazarana ary tsy mitondra fitoniana ny fifandonana », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Lahateniny mavesa-danja manoloana ireo filoham-panjakana […]
INDRAY MIJERY
Feno fanahiana ny mpianatra sy ny mpiasa manodidina an’Analakely noho ny fisian’ny fitakiana ho ataon’ny olona tofoka amin’ny delestazy eny an-toerana, anio. Hatramin’ny ora farany omaly, tsy nilaza ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana. Ny sekoly tsy miankina kosa dia efa nanafatra ny mpianany tsy hianatra aloha. […]
Bongolava : Nahasarika olona maro ny “Fijery Hafa”
Anjaran’ny faritra Bongolava indray no misitraka ny “Fijery Hafa” izay tetikasam-panofanana mora raisina sy azo hampiharina avy hatrany, tanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nomena tombony ny fikambanan’ny sembana sy ny sakaizany (FSSB) tamin’ity, tao Bongolava. Nampiofanina izy ireo tamin’ny fanamboarana arina fandrehitra sy famokarana tsakitsaky vita amin’ny […]




