Mois : septembre 2025

Fablab EnR-out: Hanosika ny tanora amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, ny « Fablab EnR-out ». Tetikasa vaovao mikendry ny hampiofana ny tanora amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Foibe mandehandeha izy io, mitovitovy amin’ny maodely « C’est pas sorcier », saingy mifantoka ma­nokana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Hanome fahafahana ireo […]

Soka-dranomasina: Hita eto Madagasikara ny karazany 5 amin’ny 8 maneran-tany

Ankoatra ny sokatra an-tanety, mampiavaka an’i Madagasikara iha­ny koa ny fananany Soka-dranomasina na Fano. Misy ny tetikasa Aro Fano hiarovana azy ireny. Tsy misy afa-tsy 8 ny karazan-tsokatra an-dranomasina maneran-ta­ny. Hita eto amintsika daholo ny 5 amin’izy ireo, dia ny sokatra voaravaka (Eretmo­chelys imbricata), ny sokatra maitso (Chelonia mydas), ny […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fandraisana ireo tetikasa ho an’ny 1st Step Fund”. Natao hanohanana ireo mpamokatra sarimihetsika izy ity, izany hoe, fanampiana manomboka amin’ny dingana voalohany hidirana amin’ny sehatra mihitsy. Ireo manana tetikasa amina horonantsary fohy aloha no entanina handefa ny vokatra, mialoha ny 18 oktobra izao. Tombony lehibe ho an’ireo mpanatontosa […]

“New York Independent Art Film Festival” : Nahazo loka ny “Debout!”, an’i Felana R.

Nandrombaka ny loka tao amin’ny sokajy “Best Human Rights Short Film” ilay horonantsary “Stand up!” na “Debout!”, notontosain’i Fela­na Rajaonarivelo. “Raha toa ka nandefa ny horonantsary hifaninana aho tamin’ny volana mey lasa teo, tsy mbola noeritreretiko akory hoe ahoana ny mety ho tohiny. Efa fanomezana lehibe ho ahy ny nahatafiditra […]

“Tremplin Madajazzcar 2025”: Tarika enina hifanintsana eto Antananarivo

Iray amin’ireo fandaharam-potoana mafonja ao anatin’ny hetsika “Madajazzcar Festival” ny « Tremplin Madajazzcar ». Tanàn-dehibe 4 no nahitana izany tamin’ity taona 2025 ity. Ho an’Antananarivo, efa nisy ny vokatra azo. Amin’ny ankapobeny, ahitana fiofanana arahina fifaninanana ny firafitry ny « Tremplin ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Madajazzcar Festival 2025” izy io. Efa taona maro […]