Mois : septembre 2025

Tsy kivarivary izy ity!

  Mbola tsy hita be ihany aloha ny ho fiafaran’ilay hetsiky ny mpidina an-dalambe. Tsy mampino ny zava-mitranga eto an-drenivohitra. Raha mitorajofo ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra any amin’ny toerana misy fihetsiketsehana, toa milamina be tsy misy na inona inona amin’ny sakeli-tanàna hafa. Dia misosasosa ny fiainana andavanandro. Eo […]

Nifona ny Filoha Rajoelina Andry : Noravana ny governemanta !

Nifona tamin’ny tsy fahombiazan’ny governemanta napetrany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Noravany, halina izany. Ho fantatra anatin’ny 72 ora izay ho mpandimby ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambaran’ny filoha Ra­joe­lina Andry tamin’izany fa henony ny fitakiana ary nifonany raha misy tsy nahavita ny andraikiny ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy namaly […]

Ranaivoarison Eddy Rochel : Efa faniriana hatramin’ny mbola kely ny hanao sakafo

Maro ireo olona mi­sehatra amin’ny asa fivarotana sa­kafo amin’izao fo­toana. Ao anatin’ ireo tovolahy ma­nana traikefa amin’ izany Ranaivoson Eddy Rochel. Anisan’ny olon-tsotra ma­melona ny vady aman-janany amin’ny resaka sakafo eto Madagasi­kara Ranaivoarison Eddy Rochel. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, efa hatramin’ny ela no naniriny hanao izao asa fandrahoana […]

Fanorenan-trano: Mahazaka loza voajanahary ny “polymur”

Vaovao! Manara-penitra, mafy, mampihena ny fandaniana amin’ny fanorenana trano ny fampiasana ny “polymur”, vokatra vaovao ataon’ny orinasa Polytech eny Ambohi­malaza. “Mahazaka tanteraka ireo loza voajanahary samihafa toy ny rivodoza, horohorontany, sns, izy satria vy avokoa ny mandrafitra ny trano sy ny rindrin-trano”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotry ny Polytech, Rama­monjiarisoa […]

Filoha Rajoelina Andry : « Hamboarina tanteraka ny fitantanana firenena »

Tafaverina, afakomaly, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Tsy manome tsiny izay nanao ireny zavatra ireny aho satria tena nilaina ireny. Raha misy ny alahelonareo dia alefaso aty amiko. Hamboarintsika tanteraka ny fitantanana ny firenena », hoy izy. «Tsy maninona, alefaso aty amiko ny alahelo sy ny hatezeranareo fa zakaiko. Tsy ny […]