Mois : septembre 2025

VAOVAO TAMBATRA

Filaharambe no hita eny amin’ny fakam-bola Gab, manerana ny Renivohitra. Fotoana fivoahan’ny karama ho an’ireo mandray izany isam-bolana rahateo izao, indrindra ny mpiasam-panjakana. Sarotra ihany koa, nifampitadiavana, ny solika teny amin’ny mpaninjara. Miantraika any amin’ny fanjifana avy hatrany anefa izany, hitarika ho any amin’ny varo-mazina sy ny risoriso. Mikatso tanteraka […]

Vata fampangatsiahana: Tsy azo ampiasaina intsony ny entona R 22

Nisitraka fiofanana mahakasika ny fitiliana mialoha sy ny fanaraha-maso ireo singa mpanimba ny sosona ôzôna ny mpiasan’ny Fadintseranana sy ny Polisin’ny tontolo iainana (OPJE) any Mahajanga. Ny 16 hatramin’ny 18 septambra 2025 teo no nanatanterahana izany. Efa manana ny fitaovana arifomba ahafahana mitily ireo entona mpanimba ireo isika, ka anisan’ny […]

Sandam-bola : Ahina hitotongana ny Ariary

Marindrano ny sandam-bola Ariary tato anatin’ny iray volana farany. Ahina, hiova tampoka anefa izany, amin’izao fandrobana mihatra amin’ny tranombarotra maro izao, izay nivarotra entana nafarana avy any ivelany ny ankamaroany. Tsy mihetsika firy ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny euro sy dolara. Raha ny tamin’ny herinandro lasa teo, nidina […]

INDRAY MIJERY

Nanao fanadiovana faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, manerana ny boriborintany enina. Nisy ny antso natao mialoha ny hetsika ka tonga maro ny olona nanatanteraka izany. Tanàna madio, maitso ary malina no tanjona. Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy misy mpianatra na iray aza ireo […]

Fiverenana an-dakilasy : Feno fisalasalana ireo mpianatra

Hatry ny omaly, tsy mbola nisy ny filazana ofisialy na mbola mijanona ny fampianarana na efa miverina an-dakilasy ireo mpianatra. Feno fisalasalana, araka izany, ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’ny fanapahan-kevitra horaisina. Raha ny fifanentanana any anaty fiarahamonina sy amin’ny tambajotra sosialy anefa dia mbola heverina ny hisian’ny fitakiana […]