Mois : septembre 2025

« Référentiel de formation » ho an’ny COSP : Nankatoavin’ny minisitera sy ny IECD

Natao sonia omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana ara­kasa Ampefiloha, ny fankatoavina ofisialy ny « Référentiel de formation pour le métier de conseiller en orientation scolaire et professionnelle ». Nia­rahan’ity minisitera ity sy ny Ins­titut européen de coopération et de développement (IECD) amin’ny tetikasa Se­same ny famolavolana azy. […]

Fampianarana: Nojerena ny momba ny zaza

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa iraisam-pirenena miompana amin’ny fanabeazana sy fiahiana ny zaza. Tanjona ny hampisehoana ny asa vita nandritra ny efa-taona, ny fifanakalozana traikefa, ny fandraisana soso-kevitra ny amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fiaro­vana ny zaza madinika eo amin’ny politikam-panabeazana. Firenena roa no nanaovana ny tetikasa, dia i […]

Tahotra krizy : Nilaharana ny fividianana entana ilaina andavanandro

Tsy mahalala ny ho ampitso! Samy mailo amin’ny trangan-javatra miseho ny rehetra. Ao ireo mitsoaka, ao ireo manangona sakafo, ny sasany manohy ny fitadiavana araka izay mety. Nisongadina ny filaharana amin’ny fividia­nana kojakoja ilaina andavanandro. Manoloana ny krizy lalovan’ny firenena, ma­neho fahamailoana ny ankamaroan’ny tokantrano. Filaharana no hita tamin’ireo mpamongady […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ho efa mahafantatra ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fandrobana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. “Efa fantatra koa ireo mpamatsy vola ny fandrobana ary misy koa ireo efa namerina ny entana norobaina. Mitohy ny fanadihadiana handrai­sana fepetra haingana », hoy ny mpitondra teny, ny Jly Ravoavy Zafisambatra. Nahemotra ho amin’ny 8 ora […]

Depiote irmar : Manamafy ny fanohanany ny Filoha

Manoloana ny toe-draharaha miseho eto Antananarivo sy tamin’ireo tanàn-dehibe maro, nanao fanambarana ny Solombavambahoakan’i Ma­da­ga­sikara ao anatin’ny vondrona Irmar, omaly, tetsy amin’ny Antenimieram­pire­nena Tsimbazaza. Nilaza izy ireo fa miombona alahelo sy ny miara ory amin’ireo fianakaviana very havana, ary mankahery ireo naratra sy very fananana. Manameloka ihany koa ny herisetra, […]