Mois : septembre 2025

TSELATRA

Levon’ny afo ny tokantrano iray tao amin’ny fokon­tany Ambalavola, Antsiranana, omaly. Nifamonjen’ ny fokonolona sy ny mpamonjy voina novonoina ny afo saingy kila avokoa ireo entana tao an-trano. Mitohy ny fikarohana ireo zaza roa lahy tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy 15 septambra teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Satro­kala, […]

Fakana takalonaina: Tsy misy ifandraisany amin’ny Base Toliara

Nivory ireo sefo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ankilimaliniky Toliara II, ary namoaka fanambarana iombonana. Nitondra ny fitene­nana ny sefo fokontany Ta­nora Faharoa. Nohelohin’izy ireo marindrano ilay asan-jiolahy niseho ny sabotsy 13 septambra teo. Fakana an-keriny natao takalonaina ny zanakay miisa 3 ireny zava-niseho ireny, hoy izy ireo. Tsy misy […]

Tsindron’antsy: Voasambotra ny tovolahy 18 taona nahavanon-doza

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antanimasajy, Mahajanga, ny tovolahy iray 18 taona voarohirohy sy tompon’antoka tamin’ny fanindromana antsy raim-pianakaviana iray, 35 taona, ny alin’ny 6 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana ny raharaha, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy azy. Tsiahivina fa nisy nanindrona antsy tany Ambalamanga, fokontany Antanimasajy, ny lehilahy […]

Olana ara-pitiavana : Lehilahy saika hamono tena, nitsoraka tany ambany fiara

Nanapaka tampoka fiara nandalo teny Ampasika ny lehilahy iray, omaly. Nikasa hamono tena izy saingy tsy maty. Raim-pianakaviana tra-doza rehefa nitsoraka tampoka tao ambanin’ ny fiara marika Kia Pride, teny Ampasika, omaly tolakandro. “Tsy lavitra ny lalana miditra ny Rond-point, nitsambikina tampoka io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray […]