Mois : octobre 2025

TSELATRA

Nitrangana vaky fasana tany Androhimainty, fokontany Antranoroa, kaominina Soavinandriana, omaly. Mpiandry omby sendra namerina omby no nahita ny fasana efa nisokatra ka niantso tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena. Voamarina nandritra izany fa razana 23 no very sy lasan’ireo olon-dratsy. Olona telo mianaka […]

Voafaokan’ny 4×4: Mpitondra moto namoy ny ainy

Voafaokan’ny 4×4 avy ao­riana ilay kodiaran-droa, namoy ny ainy ny tovolahy vao erotrerony nitondra moto teny amin’ ny lalambe migodana na “au­toroute” vaovao (AR1), omaly. Nitondra moto misy vitesse io lehilahy io. Nanararaotra ny fa-halalahan’ny arabe, mandeha mafy ireo fiara mifamezivezy amin’io toerana io. Nikasa hi­vily tampoka ilay mpitondra moto. Tsy […]

Mpanendaka tetsy Angarangarana : Lavon’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsinanana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ ny Service Central Anti-Gang (SCAG) nandritra izany, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny nanafika mpividy entana iray tetsy Anosibe Angarangarana ny 6 okotobra lasa teo izy io. Lasan’ izy ireo […]

Kamiao latsaka tany ambany tetezana : Olona telo namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, any Brickaville, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Olona telo tamin’ireo mpandeha dimy namoy ny ainy, izay tery tao anaty fiara. Niseho teo amin’ny PK 249 hiditra Brickaville ny loza. Latsaka tany ambany tetezan’i Menagisy ny kamiao lehibe iray, izay feno entana. […]