Mois : octobre 2025

Kitra any ivelany: Mamiratra ny ekipan-dry Ronaldo

Nahita fahombiazana tsara ny ekipan’ny Al Nassr FC, nandritra ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Arabia Saodita, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo tamin’ny isa, 5 no ho 1, ny Al Fateh, fihaonana izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Al-Awwal Park. Namiratra tanteraka tamin’ity fifanandrinana ity, ny […]

Fankasitrahana ny Chan 2024: Nahena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea

Nambaran’ny Filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, (FMF), Randria­manampisoa Alfred, ny afakomaly teo, tetsy Anosy, fa na­hena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea, tamin’ny Chan. Raha ny fanazavany, nahenan’ny Caf ilay vola 1,2 tapitrisa dolara noho ny resaka “droit TV” sy ny volan’ ny hotely fampiantranoina ny Barea. “Notsiahiviny fa […]

DAKA AN-JORONY; Fitakiana fanovana sa fanovana fitakiana

Teny malaza amin’izao, ny fiovana sy fanovana. Tsy eo amin’ny fiainam-pirenena ihany fa eo amin’ny tontolon’ny fana­tanjahantena dia samy andrenesana fanovana sy fiovana. Mitaky izany avokoa amin’izao fotoana izao, ireo mpisehatra ao anatin’ny taranja isanisany eto Madagasikara. Hahe­noana izany ary tena misongadina ireo taranja telo miavaka sy mankarary ny Malagasy […]

Tenisy ambony latabatra : Tafita hiatrika ny « Mondial » any Londres ny Malagasy

Niasa mangina ary niezaka nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo Malagasy mpilalao ping pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Tunis. Anisan’ireo mankany Londres izy ireo, ary miatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena, ny taona 2026. “Mitohy ny sidina” ! Ta­fakatra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Londres, […]