Mois : octobre 2025

Filaharan’ny Fifa: Niakatra ho faha-106 ny Barean’i Madagasikara

“ Tsara fa tsy misy dikany!”. Io no teny azo ambara raha nahita ny filaharan’ny Barean’i Madagasikara, izay nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Niakatra ho eo amin’ny faha-106 i Madagasikara, saingy tsy hiatrika Can 2025 no tsy hanao Mondial 2026. Toerana roa no nosongonan’ny Malagasy mpilalao tamin’ity, raha toa […]

Muay Thai – “Battle for Africa” : Malagasy roa handray anjara any Maorisy

Hotontosaina anio, any Maorisy, ny fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay Thai. Manana solontena roa i Madagasikara. Mianadahy, ahitana an’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy no miaro ny voninahi-pirenena mandritra ity fifaninanana matihanina eo ambany fiahian’ny WMC […]

FMMM : « Foano ny fifanarahana amin’i Frantsa »

Mitaky ny fanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa nisy hatrizay teo amin’i Madagasikara sy ny firenena mpanjanaka frantsay, ny Firaisan’ny mpandinika mozilmanina eto Madagasikara (FMMM), omaly. Laharam-pahamehana ny fisokafana amin’ny firenena hafa izay manana vina mazava mitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena ho azy ireo. Tsy tokony hifampiditra velively ny raharaham-pirenena sy ny asam-bahoaka […]

VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ny nasongadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ny fanarenana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fandraharahana, hisarihana ny mpandraharaha avy any ivelany sy ny fampiasam-bola vahiny (IDE). Nomarihiny fa ilaina ny mametraka tontolo ara-pandraharahana azo antoka eto amin’ny firenena, ka izay no hiaraha-miasa amin’ireo vondrona iraisam-pirenena. Nivoitra tao anatin’ny lahatenin’ny filoham-panjakana […]

Avaradrano: Tantsoroka ho an’ny mpiompy trondro

Nidina ifotony teny amin’ ny kaominina Fieferena, dis­trika Avaradrano, ny Fitanta­nam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Ana­la­manga, ny 15 oktobra teo. Nomena tantsoroka, tohana ara-teknika momba ny fampanatodizana karpa ny mpiompy trondro miisa enina eny an-toerana. Nisy ny fijerena ireo trondro efa vonona hampiasaina amin’ny fampanatodi­zana, izay mbola […]