Mois : octobre 2025

Harena fototarazo: Tapitra ny tetikasa ABS Mada

Niompana tamin’ny fampahafantarana sy ny fizarana ny tombontsoa amin’ny harena voajanahary, ambara hoe, fototarazo ny tetikasa ABS Mada. Anisan’izany ny karazana zavamaniry fanao fanafody nentim-paharazana, na koa ara-tsiansa. Nisy ny tetikasa Fampahafantarana sy fizarana ny tombontsoa (APA), nanao tantsoroka mba hahafahan’ny mpisehatra tsirairay misitraka. Nanomezan-danja ny harena fototarazo (ressources génétiques) […]

Olan’ny herinaratra : Hidina eny amin’ny Jirama ny Filoham-panjakana

Tafiditra anatin’ny laharam-pahamehan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ato anatin’ny fohy ezaka, ny sehatry ny angovo. Satria anisan’ny fitakian’ny tanora Gen Z sy ny vahoaka nidina an-dalambe ny tsy fisian’ny jiro sy rano. Nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michael, omaly, fa anio ihany dia ho eny amin’ny foibe Jirama ny tenany, hijery […]

INDRAY MIJERY

Naharitra roa andro ny atrikasa fampahafantarana momba ny Incubation professionnelle ao amin’ny faritra Atsinanana, izay natao tamin’ity herinandro ity. Notanterahina tao amin’ny Lycée Privé Camp Toama­sina izany. Ireo solontena avy amin’ny Direction de l’incubation professionnelle, avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa foibe no nikarakara izany. Nandray anjara […]

Apipa: Diovina ny eny Masay hatreny Andravoahangy

Ho fiatrehana ny fahavaratra, miasa andro aman’alina ny Apipa ho fiarovana ny lemak’ Antananarivo mba tsy ho sa­fotry ny rano. Eo am-panaovana ny asa lehibe manodidina ny farihin’i Masay, Ankorondrano, Manjakaray, Besarety ary Andravoahangy ny ekipan’ny Apipa amin’izao fotoana. Fanadiovana sy faneso­rana ny fako no atao amin’izany mba tsy hanentsina […]

CHU Fenoarivo sy Anosiala : Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana

Manatanteraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ny CHU Anosiala sy ny CHU Fenoarivo. Fizaham-pahasalamana momba ny fo sy ny lalandra ary fitiliana ny tosidra miakatra sy ny diabeta no hatao eny amin’ny CHU Fenoarivo. Hisy hatrany ny fizarana fanafody maimaimpoana mifanaraka amin’ny aretina. Fanindroany izao ny hetsika ataon’ity hopitaly ity, raha ny […]