Mampanahy ny zava-misy rehefa zohina ny refin’ny hanoanana eto amintsika ho an’ity taona ity. Ilaina ny fanaovana ezaka goavana, indrindra ny fahavononana politika. Laharana faha-120 i Madagasikara, amin’ny firenena 136 nohadihadiana amin’ny refin’ny hanoanana. 42,0 izany ny taona 2000. Nahatratra 36,6 (taona 2008), 35,0 (taona 2016) ary 35,8 ny refy […]
Mois : octobre 2025
Eny ifotony: Ezahina ny tsy hampihoapampana ny fahavoazana
Ireo faritra tena marefo sy tandindonin-doza voajanahary matetika no misitraka ny tahirim-pirenena hiatrehana ny loza na FNC avy amin’ny fanjakana. Faritra 18 no hisitraka izany satria ireo no tena voasokajy ho marefo. Tafiditra ao anatiny ny any atsinanana sy avaratry ny Nosy izay fidiran’ ny rivodoza matetika. Eo koa ny […]
BNGRC: Rafitra mazava sy mangarahara ny tahirim-pirenena ho an’ny fiatrehana ny loza
Hiditra amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika. Mitondra ny fanazavana momba ny fitantanana ny Tahirim-pirenena ho fiatrehana ny loza na Fonds national de Contingence (FNC) ny avy ao amin’ny BNGRC. Entina hanohanana ny faritra mitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny loza ny FNC. Rafitra famatsiam-bola hiatrehana ny loza eto Madagasikara ny Tahiry FNC. Napetraky […]
TARATRY ny KANTO
Misokatra ho an’ireo fikambanana ara-kolontsaina ny Kianjan’ny kanto Mahamasina. Fanambarana nataon’i Rossy, omaly, io. Maimaimpoana izany raha misy te hivory ka mila toerana malalaka, satria natao ho an’izany indrindra ao. Afaka mampiasa ny toerana ihany koa ireo tanora na fikambanan’ny tanora te hifampidinika momba ny rahaharam-pirenena, raha ny nambaran’ity mpanakanto […]
« Miss Tourism International » : Vonona ny handresy i Hendry Tsiky
Miandrandra mafy ny hisongadinan’i Hendry Tsiky ny Malagasy maneran-tany. Any Malaisie izy amin’izao fotoana, miatrika ny fifaninanana « Miss Tourism International ». Ho fantatra anio izay hisalotra ity anaram-boninahitra ity, izay hirariana mafy hobatain’i Hendry Tsiky. Efa vonona ny hiatrika ny mpitsara izy, ary ny maha Malagasy no hasongadiny mandritra izany. Ny […]




