Mois : octobre 2025

TARATRY ny KANTO

Nivoaka ny boky « Amboaran’angano 2 », nosoratan’i Arikaomsa Randria, ary noravahin’i Max Razafindrainibe tamin’ny sary. Ny Edition Jeunes Magaches no nanatontosa ny boky, izay mirakitra angano 5 ho an’ny ankizy. Efa misy angano fihaino koa miaraka aminy, amin’ny teny frantsay sy teny malagasy. « Mandrora mitsilany », « i Karenjy », « Ny zanak’i Vo­rom­be », « Imaintsoanala […]

Fiarahamonina malagasy : Mila iainana indray ny « fanahy no olona »

Fomba amam-panao, finoana, lamina voajanahary… Manana ny iavahany ny fiarahamonina malagasy. Misy amin’ireny ny saro-takarina. Ao koa anefa ireo tsotra ny miaina azy, saingy, takon-javatra maro. Vanim-potoana mila hamerenana ireny izao. Voaresaka matetika ny « fanahy », saingy, miha vitsy ny Malagasy mahafantatra azy io. Ny sasany manafangaro ny « fanahy » amin-javatra hafa. […]

TSELATRA

Nitrangana haintrano indray tany Andranomena, Fandriana, omaly tolakandro. Noho ny herin’ny fitsokan’ny rivotra, niitatra haingana ny afo. Vokany, may kilan’ny afo ary tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. Raha ny fanazavana voaray, avy amin’ny fako nodorana izay nentin-drivotra ny niaingan’ny firehetana. Marihina fa tsy nisy ny aina […]

Fisafoana amin’ny alina : Mifanampy ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona

Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony eny anivon’ny fokontany na Vaomieran’ny fandriampahalemana ny polisim-pirenena, notarihin’ny talen’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka, ny kaomisera Andrianalison Haminiaina, afakomaly. Manoloana ny tranga fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy nanomboka ny 25 septambra lasa teo, tsy mitsahatra manao ny asany ireo vaomiera eny anivon’ny fokontany mandrafitra ireo boriborintany enina […]