Namoaka filazana ny Fitantanam-paritry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga, faritra Diana. Voalaza fa mikatona ny fotoam-panjonoana ny karazan-trondro sardine. Araka izany, voarara manomboka ny 1 novambra 2025 ho avy izao, hatramin’ny 31 marsa 2026, ny jono, ny fitaterana, ny varotra ary ny fihinanana an’io karazan-trondro io sy […]
Mois : octobre 2025
Haintany: May ny alan’ Ankarafantsika
Nahitana trangan’afo vaovao ao amin’ny atialan’Ankarafantsika, ny 13 oktobra 2025 teo. Voafehy ny afo, saingy nirongatra indray roa andro taty aoriana. Niara-nisalahy ny mponina eny ifotony, ny mpitantana ny toerana ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny mpitandro filaminana, ny mpamonjy voina avy any Mahajanga, ny ekipan’ny Madagascar National Park (MNP) ary […]
Ireo sekoly sasany : Mampianatra am-pitaintainana
Mbola misy ireo sekoly matahotra mamerina an-dakilasy ny mpianatra ao aminy. Mbola tsy tena mahatsiaro fitoniana tanteraka ny sekoly sasany ka manana fanahiana ny amin’ny ain’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ireo sekoly manodidina an’Analakely sy Behoririka no mbola mahatsiaro izany. Tsy mbola mahazo antoka tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena, […]
Vakinankaratra sy Menabe: Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny tanora
Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny faritra Vakinankaratra sy Menabe, iarahana amin’ny Fisa Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora. Nanaovana fakan-kevitra ireo tanora hahenoana ny hetahetany mahakasika ny fanatsarana ny resaka fananahana ara-pahasalamana. Tamin’izany no nahafantarana ny vina sy ny faniriany momba ny […]
Centre Médical Kintana Ambatomena: Vehivavy 945 voaentana momba ny homamiadana
Efa amin’ny antsasa-dalana ny hetsika “Octobre rose” sahanin’ny Fondation Akbaraly, amin’ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ho an’ny vehivavy. Mahatratra 945 ireo vehivavy voaentana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza sy ny fitiliana teny amin’ny Centre Médical Kin-tana Ambatomena, araka ny fanazavana azo. Manantena […]




