Mois : octobre 2025

INDRAY MIJERY

Miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny ankizy eto Madagasikara ny Unicef. Miaraka amin’ny Fikambanana malagasy momba ny pédiatrie (Somaped), nohatsaraina ny kalitaon’ny fitsaboana ny zaza ao amin’ny CHU Mère-Enfant Tsaralalàna sy ny CHU Befelatanana. Solomaso oksizena ho an’ny zaza vao teraka 160 sy saron-tava oksizena […]

Vondrona eoropeanina : Miantso ny hamaliana ny hetahetan’ny tanora

Naneho fahavononana hifanakalo hevitra sy hidinidinika amin’ireo minisitra eo anivon’ny governemantan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina. Ani­san’ny tena andrasan’izy ireo ny momba ireo tanora sy ny sosialim-bahoaka. Nivoitra tamin’ny fanambarana, omaly, fa efa mitsangana izao ny governemantan’ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Mada­gasikara. «Asa lehibe sy goavana ny miandry […]

Fandraisana ny traboina : Napetraka ny tranolay miisa 20

Aman-jatony tafo no niharam-boina tao anatin’ny firehetana nitranga nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fiaraha-misalahy teo amin’ny mpamonjy voina sy ny vahoaka no nahafahana nifehy sy namono ny afo. Trano lay miisa roapolo no natsangana vonjimaika niaraka tamin’ny BNGRC hamonjena ireo traboina mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 andro. Nanolotra vary […]

Vina aty amin’ny ranomasimbe Indianina: Tanora 119 niofana momba ny fiahiana an-dranomasina

Nikarakara fiofanana ampitain-davitra ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny COI sy ny OIF hanomezan-danja ny tanora hitondra fampandrosoana manoloana ny vina iraisana. Nandritra ny volana septambra sy ity oktobra ity, tanora 119 avy eto Madagasikara, Kaomoro, Maurice, La Réunion ary Seychelles no nanaraka fiofanana miompana amin’ny vina sy […]

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filoham-panjakana, ny Kly Ran­drianirina Michaël, nanoloana ny praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, afakomaly, tamin’ny filankevitry ny minisitra. « Manomboka amin’ny tsirairay ny fanovana sy ny fanavaozana. Asa ihany koa ny antsika fa tsy kabary », hoy izy. Nanambara ny minisitra misahana ny Raha­raham-bahiny, Razanahamasoa Christine, fa hisy […]