Mois : octobre 2025

Olan’ny firenena : Mitaky ny fandraisan’­ anjaran’ny vehivavy

Manao antso avo ireo vehivavy malagasy mpitarika ho amin’ ny fandriampahalemana, fanelanelanana ary ny fandraisan’ anjara ny rehetra amin’ny fitantanana. Manolotra soso-kevitra amin’ny fanokafana sehatra ifampiresahana izay iraisan’ny hery politika, ny fiarahamonim-pire­nena sy ny tanora ary ny antokom-pivavahana ireo vehivavy mpandraharaha. Ireo vehivavy manana traikefa amin’ny fanelanelanana dia vonona ny […]

Maternite Befelatanana: Tsy mandray marary sy mpiteraka vaovao

Tsy ampy ny paramedy sy ny internes mikarakara ny marary. Izy ireo anefa no tena mandray an-tanana ny fitsa­boana sy tena akaikin’ireo mpila raharaha eny. Miato ny fandraisana marary ao amin’ny CHUGO Befelatanana. Nitsotra ny zava-misy marina ny mpitantana ny Centre hospitalier universitaire de Gynécologie obstétrique de Befelatanana (CHUGOB) na […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanararaotra nisokatra daholo ny mpivarotra rehetra, omaly, indrindra ny maraina. Niezaka niasa avokoa ny taxi-be, satria nisokatra daholo ny lalana, noho ny tsy fisian’ny sakana teo Analakely. Tsotra ny antony, voasembantsembana tanteraka ny fiharian’izy ireo, amin’izao vanim-potoan’ny krizy izao. Toraka izany koa ny mpiasa tena samihafa, satria vola miditra isan’andro […]

Vondron’ny Rano sy ala: Miainga eny Nanisana ny fibaikoana

Nanao fanambarana ny Vondrona Rano sy ala sy ny mpiasa ao amin’ny fitanta­nan-draharaha’ny minisitera misahana ny Rano sy ala (CSFOP), omaly. Miainga any amin’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana, eny Nani­sana, ny fibaikoana rehetra ao amin’ny Vondron’ny Rano sy ala, manerana ny Nosy. No­mena ny manana grady am­bony indrindra, ny injeniera […]