Mois : octobre 2025

Mpitandro filaminana mihoa-pefy : « Handraisana fepetra », hoy ny Praiminisitra

Nidina teny Analakely ny lehiben’ny Governemanta Za­fisambo Ruphin, omaly. No­hamafisiny fa maika ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mpitandro filaminana mihoa-pefy. “Governemanta fisokafana no hajoro. Mbola misy ny fifampidinihana miaraka amin’ny FFKM. Ny maika dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisam­bo Ruphin […]

Fifanintsanana Mondial : Efa any Mali ny Barean’i Madagasikara

« Tonga sahady! Vonona izahay! » Araka ny loharanom-baovao voaray, omaly, efa any Bamako, Mali, ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Na­nainga omaly maraina, tany Côte d’Ivoire, ny Barea. Raha ny fampitam-baovao, salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary vonona ny haka fandresena eo anatrehan’i Mali, ny 12 oktobra ho avy […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao, maratra tsy afaka hiakatra eny ambony kianja indray i Paul Pogba, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AS Monaco. Tsiahivina fa taorian’ny sazy nahazo azy, mbola tsy niakatra an-kianja mihitsy ny tenany, ary tsy mbola niatrika lalao ofisialy. Tafita hiatrika ny “Mondial 2026”, any Mexique […]

Taranja mekanika : Foana ny fifaninanana

Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, man­dalo fotoan-tsarotra koa ny taranja mekanika. Araka izany, nanambara tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ny Fede­rasionina malagasin’ny sport automobile (FSam) sy ireo klioba mpikarakara fa tsy misy ny fifaninanana ho an’ity volana oktobra ity. Efa nofoanana ny “Grand Prix karting”, tokony ho natao ny 5 […]

Basikety : Hifindra ao amin’ny Tamponnaise REU i Muriel sy i Christiane

Vaovao tsara eo amin’ny taranja basikety malagasy, hilalao ofisialy ao amin’ny ekipan’ny Tamponnaise, ao La Réunion, ny Malagasy mpilalao basikety roa vavy, i Hajanirina Muriel sy Jaofera Harisoa Christiane. Nambaran’ny klioban’ny MB2All Analamanga, omaly, fa hikopak’elatra ka tsy ho anisan’ny mpilalaon’ izy ireo intsony i Muriel sy i Christiane. Namaly […]