Tanterahina amin’ity herinandro ity, manerana ireo Dren 23, ny atrikasa fampahafantarana sy fifanakalozana momba ny tetikasa manohana ny fizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy “Eager”. Tanjona ny hanatsarana ny fari-pahaizana sy ny fidiram-bolan’izy ireo. Mbola hisy ny fitsirihana sy fisafidianana ireo zatovovavy hisitraka ny tohana fampianarana sy ireo vehivavy 18 hatramin’ny […]
Mois : octobre 2025
Mpiasan’ny fahasalamana vonon-kiasa: Tsy tokony henjehina ireo tsy mitovy hevitra
Niombom-peo, omaly, tetsy amin’ny HJRA, ireo mpiasan’ ny fahasalamana am-perinasa tsy manaiky voarebirebin’ny resaka politika fa manao ho zava-dehibe ny asa fitsaboana. Nahitana dokotera, mpampivelona, infirmiera, dokotera farmasianina, mpandraharaha, mpitantana, dentiste ary teknisianina ara-pahasalamana ireo nanao fanambarana. “Zo fototra ny mitaky sy maneho hevitra, saingy atao am-panajana izany”, hoy ny […]
Seces sampana Antananarivo: Hanatanteraka fivoriambe, anio
Hanatanteraka fivoriambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra (Seces) eto Antananarivo, anio, eo amin’ny Esplanade Ankatso. Hiakanjo mainty sy fotsy na ny toge izy ireo amin’izany. Marihina fa mijoro manohana ny hetsiky ny tanora maniry ny hitondra fanovana ny Seces. Efa nilaza fa manana ny drafi-pitantanana sy paikadim-pirenena […]
Sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana : Nampikatso ny asam-pitsaboana nanomboka ny alarobia teo
Manamafy ny fitakiana ataony ny sendikà misehatra amin’ny fahasalamana eto Antananarivo sy any Toamasina. Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fampiatoana ny asam-pitsaboana rehetra, hoy ny fanambarana. Natomboka ny alatsinainy lasa teo, nandritra ny fampiakaran-tsaina teny amin’ny Hopitaly kely, Tanambao I, izay misy ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana ny […]
TARATRY ny KANTO
Miantso ireo mpanakanto namany i Nate Tex. « Ho an’ireo zoky, raiamandreny, zandry, mpiara-miasa eo amin’ny sehatry ny hira, dihy, sary, asa soratra, sns, fotoana re izao hitenenana. Be mpanaraka ianareo ary maro mpihaino rehefa miteny. Mitenena », hoy ny antso nataon’ity mpanakanto ity. Anisan’ireo tazana foana niara-dia tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana i […]




