Mois : octobre 2025

Fitohanana sy fahatapahan-dalana: Efatra sisa ny « tours » vitan’ny taxi-be ao anatin’ny iray andro

Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fidiram-bolan’ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be) ny fahatapahan-dalana maro eto an-dRenivohitra. Mihena ny isan’ny fihodinana vitan’izy ireo ao anatin’iray andro. Fitaovam-pitaterana misedra olana ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be), nanomboka tamin’ny fisian’ny fihetsiketsehana ataon’ny tanora mpitolona eo anivon’ny Gen Z, raha ny fanadihadiana natao. Olana sedrain’izy ireo ny fahatapahan-dalana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hikatona ny 15 oktobra hatramin’ny 15 novambra ho avy izao ny fotoam-panjonoana an-dranomamy, ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Antony, fotoana ahafahan’ny trondro manatody mba hitomboany isa io vanim-potoana io. Maro ny fitaovam-pifandraisana hampandrenesana ny mpanjono sy ny besinimaro, toy ny petadrindrina eny amin’ny biraom-panjakana, ny radio ary ny fanentanana eny […]

Lalam-pirenena faha-9: Mandeha ny fanorenana ny tetezana Mangoky

Fotodrafitrasa anisan’ny goavana aorina ny tetezana Mangoky, any Bevoay, amin’ny RN9, eo amin’ny PK 199+700. Mandeha araka ny vina napetraka ny fanatanterahana ny asa, ankehitriny. Tetezana miampita ny reniranon’i Man­goky, mampifandray ny faritra Atsimo Andrefana sy ny faritra Menabe izy ity. Ankoatra ny fananganana ny tetezana, efa vita daholo ny […]

Tetikasa S2Nap : Fiarovana ny ala honko any Menabe

Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa S2Nap sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maha­ritra (Medd). Tanjona ny hiarovana sy hitantanana maharitra ny ala honko any amin’ny faritra Menabe. Anisan’ny fomba mahomby hampiharana izany ny fanentanana ny ankizy mpianatra. Nisy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mponina any amin’ny […]

Hamahana ny delestazy: Vahaolana ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Ezahina tsikelikely ny ialana amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Vahaolana ny angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano. Anisan’ny hamahana ny fahatapahan’ny jiro lava­reny ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro. Ho an’Antanana­rivo, misy ny toby eny Am­pan­gabe, mamokatra 11,5 MW, ka efa vita ny […]