Mois : octobre 2025

TSELATRA

Zazakely vao iray volana monja, namoy ny ainy omaly, rehefa nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly tao anatin’ny herinandro. Sempotry ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny zandary tao an-tranony teny Tanjombato ny zoma 26 septambra lasa teo io zaza io. Nentina nihazo ny hopitaly izy saingy izao tsy tana izao ny ainy, raha […]

Ambodiafontsy : Raim-pianakaviana iray maty navadiky ny fiara

Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny raim-pianakaviana iray afakomaly alina tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Nitranga teo amin’ ny PK 10 + 100 digue Ambo­dia­fontsy, kaominina Ampita­tafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny loza. Fiara 206, marika Peugeot, avy any Fenoarivo hihazo an’Antana­narivo io niharan-doza io. […]

Ambohidrapeto : Telo lahy mpandroba taxi-moto voasambotra

Tratra teny Ambohidrapeto niaraka tamin’ny saron-tava sy moto fampiasany manao asa ratsy ny telo lahy mpandroba taxi-moto, afakomaly. Norebireben’ny telo lahy ny mpanao taxi moto iray ka nanaiky hitondra olona hihazo an’Ambo­hidrapeto. Mitetina 15 000 Ar no nofanarahan’izy ireo ho saran-dalana. Nanaraka tamin’ny moto hafa ireo roa lahy naman’ilay nentina […]

Fidinana an-dalambe: Hitohy anio ny hetsiky ny Gen Z, olona telo naratra

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Mitohy ny fifanjevoana amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana. Vokany, olona telo naratra tamin’ny sabotsy. Nanohy ny fidinana an-dalambe ny tanora avy amin’ny Gen Z teto an-drenivohitra, afakomaly. Miha­mafy hatrany ny fifandonana teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. […]