Hovitaina amin’ity taona 2025 ity avokoa ny fanavaozana ireo komity mpitantana eo anivon’ny taranja tsipy kanetibe, ho an’ny ligy sy ny federasionina. Araka izany, hitsahatra amin’ny asany ireo filohan’ny ligy sy ny an’ny Federasionina malagasy (FSBM) manomboka ny 15 oktobra ho an’ny ligy raha ny 13 novambra ny an’ny federasionina. […]
Mois : octobre 2025
Taranja Échecs malagasy : Miakatra tsikelikely ireo taninketsa
Taranja iray anisan’ny mivoatra sy hain’ny Malagasy ny taranja Échecs. Efa mitombo be ihany koa ny misehatra amin’ity lalaon-tsaina ity ankehitriny ka vao maika mpampiakatra ny lentan’ny Échecs eto Madagasikara. Anisan’ny ahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja iray ny fisian’ireo taniketsa izay hoavin’ilay taranja. Manana izany ny taranja Échecs raha […]
Fitakiana andalam-be: Voafitaka ny depiote Rolland Ratsiraka
Tsy nampoizin’ny depiote voafidy teto Toamasina, Rolland Ratsiraka, ny fihetsiky ny mpianatra avy ao Barikadimy sy ny vondron’ny mpivarotra zava-pisotro mampiasa ny Miami ny sabotsy teo, tetsy anoloan’ny kianja manaram-penitra Barikadimy. Ho an’ny mpivarotra aloha, nihevitra ingahy solombavambahoaka fa hanindrahidra sy hiteny ny fitakiana tahaka ny iheverany azy ireo solontenan’ny […]
Fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety : Hosokafana ny loharanom-baovao amin’ireo minisitera
Anisan’ireo noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ireo birao Analamanga ary ireo filohan’ny fikambanana mpanao gazety maromaro, toy ny CJD, Appel, FMGKriMa, Chanut Mada, AJJM. Voaresaka ny maharary ny asa fanaovan-gazety ka anisan’ ny fanatsarana nampanantenain’ny fitondram-panjakana ny hanokafana […]
Synad : “Tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”
“Mahita izahay fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Repoblika. Efa niaraha-nahita ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana nandritra ny fitondrana Tetezamita. Tsy vahaolana ny mbola hiverenan’ny krizy indray. Satria hijaly […]




