Mois : octobre 2025

Vondrona Irmar : Nidina an-dalambe koa ny mpanohana

Tanteraka tao anatin’ny filaminana ny sabotsy teo ny hetsika nataon’ny mpomba ny filoha Rajoelina Andry. Nasehon’izy ireo ny mbola fanohanany ny fitondrana sy ny fitsipahana ny korontana. Samy niainga amin’ny boriborintany nifanakaiky ny diabe nataon’ireo fikambanana, olon-tsotra naneho ny fiarahany amin’ny filoha Rajoe­lina Andry. Anisan’izany ny nifamotoanan’ireo avy eny amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny herisetra atao amin’ny tanora ireo ray aman-dreny ao Mahajanga ary manahy fampisaraham-bazana ny samy mpiray tanindrazana, araka ny nambaran’izy ireo ny sabotsy teo. «Ny fihe­tsiky ny mpitondra niatrehana ny fitakiana zo nataon’ ireo tanora. Fotoana izao handinihana ny fampitoviana ny fifampitondra ny rehetra», hoy izy ireo. Mitombo hatrany […]

Fitantanana eny ifotony: Mijery lavitra ny hoavin’ny kaominina ny MFFT

Nanatanteraka fivoriana niarahana ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony sy ny Sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany ny minisitera (MFFT). Tan­jon’izany fihaonana izany ny ho fiomanana sahady amin’ny fitantanana ny kaominina sy ny tanàn-dehibe manoloana ny fivoaran’izy ireo amin’ny […]

Lava dinika sy rariny

  Tsy nampoizina izao toe-draharaham-pirenena izao? Na efa nahiana be ihany… Tsy maintsy atrehina ny olana fa tsy azo odian-tsy hita. Amin’izany, ny rariny itompoana, mody ho heloka; ny heloka ibabohana, mody ho rariny. Mby amin’ny hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana? Na izany aza, politika ny raharaha. Tsy ilaozan’izay […]

Fanendrena Praiminisitra : Maka ny hevitry ny rehetra ny Filoha Rajoelina Andry

Hivoaka tsy ho ela ny anaran’izay ho Praiminisitra, handimby an’i Ntsay Christian. Efa lasa any amin’ny filohan’ny Repoblika ny anarana avy amin’ny ankolafin-kery samihafa. Misy miaramila, politisianina, mpandraharaha ara-toekarena. “Zava-dehibe ny na­neken’ny vondrona Irmar ny fisokafana. Raha ny And. 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny vondrona parlemantera maro anisa ao amin’ny […]