Mois : octobre 2025

Lalam-pirenena faha-4 : Atao anaty adiny 4 ny lalana Ambondromamy-Mahajanga

Vita ny ankamaroan’ny lalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Mitohy ny fanavaozana ataon’ny orinasa CRBC, avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR). Maromaro ny lalampirenena harenina, ankehitriny. Anisan’izany ny RN2, ny RN4, ny RN7. Ho an’ny RN4 (Antananarivo-Mahajanga), vita ny fanarenana ireo ampahany tena ratsy, hatreo Ambovomandresy. Atao ao anatin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Misesy ihany ny fanafoanana hetsika sy seho ara-javakanto. Nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny mi’Ritsoka Production fa hahemotra ny fampisehoana tokony hotontosain’i Lalatiana, ny 19 oktobra, eny amin’ny CCI Ivato. Saika hanamarihiny ny faha-50 taona nihirany izy ity sy ho fihaonana indray amin’ireo mpankafy an’i Lalatiana. Fotoam-bita tsy […]

Kolontsaina malagasy: Nanjary saro-tadiavina ny angano malagasy

Ny boky, tsy misy. Ireo mpitantara am-bava, tsy mahay intsony. Ny mahay, mamily lalana ny fototra… Nanjary saro-tadiavina ny an­gano malagasy. Tohan-kevitra ataon’ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga ambony sisa no ahafahana mamakafaka momba ny angano. Nan­jary tsy nahaliana ny zaza sy ny ankizy malagasy intsony ny fitantarana angano. Satria, tsy […]

Kanto marolafy hampitan-kafatra

“Au chant des sirènes”. Fikambanam-behivavy manan-talenta, samy manana ny kanto voiziny avy izy ity : Magali Grondin, Faragasy ary Chacha. Nahazo tohana ho an’ny famoronana miaraka izy ireo, ka teraka teo ny « Kabarim-behivavy ». Fanehoana kanto marolafy, mivoy hevitra mafonja ary hampitan-kafatra izy ity. Haka endrika fampirantiana, arahina fanehoana zavakanto izany, izay […]

Hotanterahina isam-bolana : Hanao velakevitra tsy tapaka ireo mpikaroka

Iray amin’ireo miteraka fivelarana eo amin’ny zavakanto ny fanehoana voka-pikarohana. Tari-dalana sy fototra hoenti-miainga izy ireny. Mety hitondra fahalalana lehibe ihany koa. Tao anatin’ny 30 taona niorenany, namolavola mpikaroka maro momba ny zavakanto ny Zanabaliha sy ilay foibe fampianarana sy fikarohana « Valiha Acadé­mie » eo ambany fiahiany. Tapaka, nandritra ny fihaonana […]