Mois : octobre 2025

SOMBIM-BAOVAO

Hanainga anio 1 oktobra ny ekipa malagasy, mitondra ny anarana Nosy Be, hiatrika ny “World Tour Shenzhen Chine”, taranja basikety 3×3, hatao any an-toerana, ny 4 sy 5 oktobra izao. Rakotonirina Fiary Jonhson, 1m 98 (kapiteny), Rakotovao Marco, 1m 86, Rasolonandrianina Hasina, 1m96, Arimanana Kanto Damie, 1m96, no handrafitra ny […]

Tunisie # Sao Tome et Principe : Malagasy no hitsara ny lalao

Malagasy mpitsara baolina kitra no notendren’ny Kaonfe­derasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf), hitsara ny lalao hifanandrinan’i Tunisie sy Sao Tome et Principe. Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, faritra Afrika, vondrona H. Hotanterahina ny zoma 10 oktobra, ao amin’ny Stade Hammadi Agrebi, Radès Tunisie. Mpitsara afovoany Rakotojaona Andofetra […]

“CAN 2025” : Nitombo ny lelavola ho azo

Namoaka tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) fa hampitomboina ny lelavola homena ny ekipa mandresy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025). Araka izany, hahazo 7 tapitrisa dolara ny ho tompondaka raha 4 tapitrisa ny faharoa. Samy hotolorana 2, 5 dolara daholo […]

Karate-Monde 2025 : Vonona tanteraka ny solontena malagasy

Hotanterahina any Le Caire, Egypte, ny 28 hatramin’ny 30 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, ho an’ny sokajy Senior. Efa vonona ny solontena malagasy. Araka ny efa fantatra, taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria, tafakatra avy hatrany hiatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity […]