Manohy ny diany mankany amin’ny dingana famaranana ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy Junior, lahy sy vavy miaraka. Ekipa malagasy roa no hiatrika ny ampahavalon-dalana, anio, hifandonana amin’i Tunisie 2 sy France 1. Hitohy anio, ao amin’ny Kianja Isla Cristina, ny fiadiana […]
Mois : octobre 2025
ACE : Kely ny tetibola ho an’ny fikarohana
Tsy omena ny lanjany hatreto ny lafiny fikarohana ara-tsiansa. Raha ny nambaran’ny Fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka (ACE), zara raha ny 0,01% ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika monja no atokana ho an’ny asa fikarohana. Miisa 9 ny Foibem-pikarohana, ka 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. […]
Jirama : Mitaky ny fialan’ny tale jeneraly ny sendika
Mitaky ny ialan’ny tale jeneraly Ron Weiss, ny mpiasa, omaly, nandritra ny fitokonana nataony teny amin’ny birao foiben’ny orinasa eny Ambohijatovo ambony. Hiato avokoa ny asa rehetra mandra-panendrena ny tale vaovao, hoy ireo sendika. Niroso tamin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny orinasa jirama, ny tanora avy amin’ny « Gen Z », ary sendika […]
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ny fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ao Bongolava fa ao anatin’ny fampandrosoana ny fanodinam-bokatra ho fampiakarana ny toekarem-paritra izy ireo. Miantso ireo liana amin’ny fampiasana milina ho fitotoana voa madinika, izay tetikasa iarahana amin’ny Mic, ity atao ity. Fahavalon’ny fikorianan’ny rano ny tsikafonkafona sy ny fako […]
Holafitry ny mpandrefy tany : Mitaky fanovan-drafitra hisitrahan’ny vahoaka ny zony
Maniry ny hisian’ny fanovan-drafitra ny Holafitry ny mpandrefy tany eto Madagasikara. Mitaky ny fanovana tanteraka ny rafitra hitantanana ny tany eto an-toerana izy ireo mba hisitrahan’ny vahoaka eny ifotony ny zony ary hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny fampiasana izany. Tokony hotohizana ary hamafisina ireo fanatsarana nentina tamin’ny fanavaozana nimasoana […]




