Mois : octobre 2025

Fananan-tany : Novahana haingana ny olana

Nifarana omaly ny herinandro manokana ho an’ny fitarainana sy fihainoana ny rehetra momba ny fananan-tany, tetsy Anosy. « Tanjona ny hanokafana sehatra mivantana ho an’ny olom-pirenena ka ahafahan’izy ireo mitondra ny fitarainany sy manazava ny olana atrehiny. Misongadina manokana tamin’izany ny fanadihadiana sy ny famahana haingana ireo olana ateraky ny boky […]

Fampivoarana ny tanàna: Hanatsarana ny faritra iva ny tetikasa Produir

Anisan’ireo tetikasa lehibe tanterahin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny Produir. Mitohy ny fandaharanasa ary tsy miova. Mikendry ny hanamafisana ny rafitra fivoahan’ny rano maloto sy hanatsarana ny fahadiovana amin’ny faritra iva eto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ity tetikasa ity. Iarahana amin’ny fanohanan’ny […]

Fanaovam-baksiny : “Zava-dehibe ny fanohizana ny asa”, hoy ny Hina

Manahy ny amin’ny tsy hitohizan’ny asa fampisitrahana vaksiny ny zaza malagasy ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena Hina sy ny tambajotran’ny tanora Nosy W, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevim-pitantanany, Faniry Hantarinivo, omaly. Mbola miankina betsaka amin’ny mpiray ombon’antoka ny vola ampiasaina amin’izany. Misy ny asa efa nataony, nanao tantsoroka nahafahana namaly ny filana […]

Vola ho an’ny vaksiny : Mila ampiakarin’ny fanjakana ny loharanom-bola anatiny

Nambaran’ny Unicef sy ny OMS, ny volana mey lasa teo, fa afaka tamin’ny poliovirus i Madagasikara noho ny ezaka nataon’ny fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka. Tokony hitohy ny asa ary mila ampitomboina ny sora-bola ho an’ny vaksiny avy amin’ny fanjakana malagasy satria niala tsy hamatsy vola ny Alliance i Etazonia. […]

TARATRY ny KANTO

Hatao rahampitso ilay sehon’ny tarika Olombelo Ricky. Tokony ho natao ny zoma 26 septambra io saingy voatery nahemotra noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena. Tsy niova kosa ny toerana fa etsy amin’ny La City Food Court Ivandry ihany. Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany mandra-pisaraka eo. Tsiahivina fa efa lany […]