Vao herinandro dia efa miakatra amin’ny fitarozahana sy fiverenan-dalana ireto nahazo fahefana. Manomboka ny menomenona amin’ny fahatapahan-jiro. Miakatrakatra ny feo amin’ireo sokajim-pikambanana mampivondrona tanora, izay manao valala an-karona. Tsy lazaina intsony ny famadihana ny lokaloka nataon’ny sasany vantany vao nahomby ny tolona. Fomban’ny tontolo filalaovana politika eto amin’ny tanàna […]
Mois : octobre 2025
Kly Randrianirina Michael : “Tsy hihoatra ny alahady ny governemanta”
Andrasana fatratra… Rahoviana ny governemanta vaovao? Nilaza ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michael, fa tsy hihoatra ny rahampitso alahady izany. “Efa miasa ao anatiny izao, raha ny fanirianay: tsy tokony hihoatra ny alahady… Ankinina amin’ny ao ambony hatrany rehefa manao zavatra.” Io no nambaran’ny […]
TSELATRA
Mpandeha iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo (RN10), kaominina Sakamasay, omaly. Efatra naratra. Nivadika ny kamiao nitondra azy ireo ka nitarika ny loza. Fiara roa nifandona teo Analakely vokatry ny tsy fanajan’ny mpamily ny lalàn’ny fifamoivoizana, afakomaly. Nidona ny lohan’ny fiara roa tonta rehefa nisisika […]
Fahafatesana mampiahiahy: Vehivavy iray hita faty nilevina teo amoron’ny tatatra
Razana, vehivavy iray 31 taona, hita nilevina teo amoron’ny tatatra amin’ny sakeli-dranon’i Kibay, ao Benitompony, fokontany sy kaominina Alatsinainikely, disitrikan’ Analavory, ny talata 21 oktobra lasa teo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika io tranga io ny zandary avy ao amin’ny tobim-patitra Analavory, tamin’ny 09 ora maraina. Nidina ifotony nijery […]
Ankadimbahoaka : Jiolahy iray lavon’ ny polisy
Nirefodrefotra ny basy tetsy Ankadimbahoaka, ny alin’ny alakamisy 23 oktobra 2025 lasa teo. Jiolahy raindahiny iray, malaza amin’ny fanendahana sy fanafihana miaro herisetra lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Service central Anti-gang (SCAG). Nisy andian-jiolahy efa mihaodihaody teny amin’ny faritra Paraky sy Ankadimbahoaka iny. Nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso avy hatrany […]




