Mois : novembre 2025

Vohifiraisana/PFNOSCM : « Hafaingano ny tondrozotra fanavaozana »

Namoaka fanambarana ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, PFNOSCM/Vohifi­raisina. Nambaran’izy ireo fa manohana amin’ny heriny rehetra ny tolona notarihin’ireo tanora ity vovonana ity. Na­maky bantsilana ny tsy fana­jana ny zo fototra, ireo tsy fa­narahan-dalàna, miaro fanararaotam-pahefana ny fahasahiana sy  ny fahavonana nase­hon’ireo Gen Z izy ireo. Nitarika tamin’ ny firodanan’ny fanjakana teo aloha […]

Mahay milomano

  Efa mitohy ny orana! Miditra anatin’ny fotoam-pahavaratra rahateo i Madagasikara.  Manomboka miakatrakatra tsikelikely ny rano eny amin’ny faritra iva. Tsy mbola ilay manainga zipo na ilay tafiditra an-trano akory, saingy ilay efa petsapetsa tsy mampazoto hamangy havana. Loto sy taha ambony amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina mifandraika amin’izany. Ho […]

Politika ankapoben’ny fanjakana : Maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena

Naseho ampahibe-maso teny amin’ny Antenimierampirenena, omaly, ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ ny fanavaozana. Lohalaharana sy maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena. Fikarakarana fifidianana marina sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara no fanambin’ny go­vernemanta vaovao. Ni­voitra izany nandritra ny fanehoan’ ny Praiminisitra Rajao­na­rivelo Herintsalama ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny […]

65 taonan’ny Rosa Club de l’Imerina : Hamolavola mpilalao ho reharehan’Antohomadinika

Taorian’ny fanokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny faha-65 taonan’ny Rosa Club de l’Imerina (RCI), taranja rugby, ny volana mey lasa iny, nitohy ny alahady teo, tetsy Antoho­madinika, ny hetsika. Natom­boka tamin’ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny ekipa sy ireo mpitantana ary ny mpilalao rehetra izany, mba ho taon’ny fahamatorana sy fiotazam-bokatra ary […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa manomboka miditra amin’ny fifidianana eo anivon’ny ligy, amin’izao fotoana izao, ny taranja basikety, taorian’ny fifidianana teny anivon’ny seksionina. Ligy telo indray no nahavita izany tamin’iny faran’ny herinandro iny. Anisan’izany ny ligin’i Bongolava sy Matsiatra Ambony. Ra­ha ny tetiandro, ny volana janoary 2026 no hotanterahina ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina […]