Mois : novembre 2025

Politikam-pirenena ho an’ny tanora: Hisy ny fakan-kevitra amin’ireo vondrona sy fikambanana

Omena sehatra hiteny ny tanora mandritra ny fihaonana hatao eny amin’ny QG Ankorondrano, amin’ity herinandro ity. Ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Ambohi­ja­tovo, varavarana faha-3, ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora maniry ny handray anjara amin’ny fanehoan-kevitra ma­hakasika ny politikam-pirenena ho an’ny tanora. Hetsika iarahana amin’ny fanjakana izy ity. […]

TARATRY ny KANTO

Hiverina ny fandaharana « Torak’Hehy ». Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’ity fandaharana mampihomehy sy mampiala voly, nampalaza ny fahitalavitra TVM tamin’izany fotoanany ity, izany. Ry zalahy ao amin’ny tarika Fou Hehy no nampiaina ny fandaharana « Torak’Hehy », izay naka endrika tantarakely mampihomehy, mandeha isan’andro. Enjehin’ny mpianakavy mihitsy ny lera handehanan’ny fandaharana taloha, […]

Ranjatohery Harilala : «Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa»

Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny mpi­kabary malagasy maneran-tany no nanatanterahana ny velakevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Foto­ana nanehoan-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara, ny heviny. « Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja […]

Rohin’ny boky: Mila matihanina ireo mpisehatra

Miaina, saingy marefo ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Ho fanatrarana ny tanjona, mila miroso mankany amin’ ny maha matihanina kokoa ireo mpisehatra rehetra anatin’ny rohin’ny boky. «Ny rohin’ny boky sy ny satan’ireo matihanina eto Mada­gasikara». « Ny fanentanana momba ny varotra boky ». Ireo no lohahevitra roa, niompanan’ny fampiofanana sy ny fizarana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 800 000 taonina (t) ny filan’i Ma­dagasikara amin’ny fanafarana vary amin’ity taona ity. Fanafarana ambony indrindra nataontsika tao anatin’ny taona maro. Marihina fa mitentina 924,5 miliara Ar ireo vary milanja 607 000 t nafarantsika nandritra ny telo volana voalohan’ity taona ity. Ambany ny famokarana eto amintsika ka tsy tratra avokoa ireo […]