Medaly voalohany azon’ny Malagasy ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu brezilianina, tanterahina any Abu Dhabi, ny medaly volamena norombahin-dRanaivomanana Idealisoa, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, araka izany, ity Malagasy mpikatroka eo amin’ny Gi/Kids 3/White/32kg, ity. Marihina fa zandrin’i Christian, ilay nahazo laharana fahatelo tamin’ny fiadiana […]
Mois : novembre 2025
Lalao ara-pirahalahiana : Lavon’ny Barea 2 no ho 0 i Guinée Equatoriale
Nahita fahombiazana ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tany Turquie. Nandresy an-dry zareo Nzalang Nationale Guinée Equatoriale ny Barea. Andrasana ny filaharan’ny Fifa. Tsara ny vokatra ho an’ny Barean’i Madagasikara. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Nzalang Nationale an’i Guinée Equatoriale, omaly, tany Turquie. Fifanandrinana tafiditra anaty lalao […]
INDRAY MIJERY
Nandray ny soso-kevitry ny Pr Jonah Ratsimbazafy, namana mpiara-miasa amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fikarohana, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nifantohan’ny resaka ny ady amin’ny diplaoma hosoka, izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisitera amin’ny fanamafisana ny kalitaon’ny asa sy ny mangarahara eo amin’ny rafi-pampianarana ambony. Nahazo fampitandremana […]
Fanohanana ara-tsaina : Misy hetsika maimaimpoana ho an’ny tanora
Maro ireo mpanaraka ny pejin’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar amin’ny tambajotra sosialy. Nangataka izy ireo ary naniry tolotra fizahana sy fanohanana ara-tsaina maimaimpoana miaraka amin’ny psychologue, natokana ho an’ ireo olona miaina fahaketrahana ara-tsaina. Ao anatin’ny fankalazana ny fahadimy taona niorenan’ny fikambanana, hanokana fotoana hanomezana fahafaham-po ireo nangataka ny mpikambana. Misy […]
Sehatrasa taovolo : Mpiadina 332 niatrika fanadinana
Natao ny 12 novambra lasa teo, tao amin’ny LTP Ampefiloha, ny fanadinana an-tsoratra ary notohizana ny ampitso ny fanadinana fampiharana izay notanterahina teny amin’ny ivontoeram-pampiofanana manokana momba ny taovolo. Tafiditra ao anatin’ny Formation professionnelle qualifiante (FPQ) ireo fanadinana ireo. Mpiadina 332 no nandray anjara, avy amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra […]




