Mois : novembre 2025

Orange Madagascar : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka

Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny Gara Soarano, ny hetsika “Supplier Day”, andiany faharoa. Fo­toan-dehibe ihaonan’ny Oran­ge Ma­dagascar amin’ireo mpi­ara-mi­ombon’antoka aminy manodidina ny 200. Tanjona iombonana ny hanamafy ny fifandraisana, hifampizara traikefa ary hanatratra miaraka ny vina apetraky ny Orange Madagascar. Mpi­ara-miombon’antoka stratejika ho an’ny orinasa ireo mpiara-miasa aminy […]

Fandraharahana: Hatsangana eto amintsika ny FNDI

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria noho izy mamorona asa sy mampidi-bola ho an’ny firenena sy ho an’ny tsirairay. Antony indrindra hirosoana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana mba hizoran’ny firenena mankany amin’ny fampandrosoana maharitra. «Hatsan­gana tsy ho ela ny tahirim-bola nasionaly hatokana ho fampandrosoana ny indostria» (FNDI), hoy ny minisitra […]

Vokatra fanondrana : Haverina amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila

Miandrandra fanatsarana ny vidin’ny lavanila ireo mpisehatra taorian’ny fanafoanan’i Etazonia ny haba 15% amin’ity vokatra ity ka hamerenana amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny alahady teo, nanazava ny antony nampiiba ny vidim-bokatra ny ko­l­onely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), tao amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fa­nomanana fitsapankevi-bahoaka… Raha hanao […]

Depiote Milavonjy Philobert: “Tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenena”

“Ny antso avo ataonay matetika avy aty amin’ny fanoherana: ny hirosoana sy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, izay efa nolazain’ny avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repobli­kan’i Madagasikara. Heveri­nay fa izany no tokony hatao faran’izay haingana”. Io ndray no nambaran’ny lehiben’ny fa­noherana sady filoha lefitra fa­hafito eny anivon’ny Antenimi­erampirenena, ny depiote voa­fidy […]