Mois : novembre 2025

FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fandraisana anjaran’i Madaga­sikara amin’ny filankevitra maharitra faha-132 eo anivon’ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay sy ny fi­kaonandoha faha-46 an’ireo minisitry ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay hatao any Kigali, Rwanda, amin’ ny 18-20 novambra ho avy izao. Tokony ho efa apetraky ny governemanta ny […]

Toromariky ny Praiminisitra : “Hentitra amin’ny sehatra rehetra ny fampiharan-dalàna”

“Resy lahatra ny lehiben’ny governemanta fa tokony ho hentitra amin’ny sehatra rehetra ny fampiharana ny lalàna, ka nandidy tsy hanavahana na inona na inona toerana sy/na satan’ny olona iray.” Io ny toromariky ny Praiminisitra ho an’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny taratasy lah. 053-PM/25, ny 6 novambra lasa teo, nampitain’ny […]

Tsy mila kajikajy maloto  

Inona moa izany fa ny teo ihany no teo! Mitohy ny hazalambo ny mpanao politika tsy mitovy hevitra, indrindra ireo izay tsy tiatiana sy halako bika tsy tiako tarehy. Mibaribary ny finiavan’ny sasany hamotika olona iray na roa izay heverina fa azo poretina sy azo potehina. Na olona niray latabatra […]

Raharaha SMGD – Cnaps – CUA : Niakatra teny amin’ny Pac omaly

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ny raharaha SMGD sy Cnaps. Anisan’ny nohenoina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa sy tomponandraikitra ambony vitsivitsy. Mihazakazaka ny toe-draharaha momba ny raharaha SMGD sy ny Cnaps ary ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Nohe­noina teny amin’ny biraon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na […]

« Match de Défi » : Hitsapa ny heriny amin’ny Barea ny Disciples FC

Ho fiatrehana sahady ny fifaninanam-pirenena “Pure­play Football League (PFL)”, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana any amin’ny faritr’i Toamasina, ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny vaovao efa miely, manerana ny tambajotran-tserasera, hifandona amin’ireo mpilalao milaravinahitra sy ireo nandrafitra ny Barea Chan farany teo ity klioba avy atsy Vakinanka­ratra ity, ny 28 desambra ho […]