Mois : novembre 2025

Jirama : Nosamborina ny filohan’ny sendikà SMJ

Nosamborin’ny polisy, omaly hariva, ny filohan’ny Sendi­kàn’ny mpiasa Jirama (SMJ), Ratovomanarivo Anmora. Tsia­hivina, fa nisy ny fianihana andrinjiro, nanapaka ny famatsian-jiro amin’ny masoivoho maromaro teto Antananarivo, ny talata teo. Naneho hevitra, omaly, ny sendikà maromaro (Sat-Ji, Semm, Sekrima, Usam, Fisemare) ao amin’ny Jirama. Melohin’izy ireo ny fandraisana fepetra an-kerisetra sy […]

Orinasa Star : Tohodrano manondraka velaran-tany 350 ha ao Tsiafajavona

Mampiseho ny fandraisany andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina (RSE) ny orinasa Star. Nohamafisiny ny toerany amin’ny maha lohalaharana azy amin’ny sehatry ny indostria sy ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny mponina. Anisan’izany ny zava-bita any amin’ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, faritra Vaki­nankaratra, ahitana mponina maherin’ny 23 000. Nasehony fa mifameno tsara ny fivoa­rana […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa antsakany sy andavany ireo fampisehoana tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy, Ambo­vombe, Amboasary, Taolagnaro… Nisy ny fampisehoana anaty efitrano. Tao ny teny amin’ny toerana malalaka. Mampiavaka an’i Zook Davids ny « EPP Tour ». Hive­rina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina indray ny seho manaraka. Amin’ny sabotsy 15 novambra izao, manomboka amin’ny 2 […]

« Festival de la parole » : Tanora 10 hifaninana amin’ny haitaky

« Ny fahalalahana maneho hevitra » sy ny « Zo ho an’ny fanabeazana ». Ireo ny lohahevitra roa hifotoran’ny « Fes­tival de la parole », izay miditra amin’ny andiany faharoa. Nosokafana omaly ity hetsika ho an’ny haitaky sy ny fandresen-dahatra ity, tetsy amin’ny Fakiolten’ny lalàna sy ny haipolitika (FDSP) Ankatso. Ni­ompana kokoa tamin’ny fampahafantarana ny hetsika […]