Mois : novembre 2025

FANTINA sy FINTINA

Atao andrimaso eny amin’ny Bianco, efa hatry ny afakomaly ny tale jeneraly teo aloha an’ny Cnaps, Rakotondraibe Mamy, sy ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry. Nantsoin’ny Bianco koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Anisan’ny hanadihadiana azy ireo ny momba ny fitantanana tsy ara-dalàna. Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana azy ireo […]

Ceni – fifidianana: “Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena”

«Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena izay karakaraina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny adihevitra momba ny vanin’andro hanatanterahana fifidianana amin’izay fikaonandoham-pi­renena izay». Io ny fanaza­van’ny filohan’ny Ceni, An­dri­a­narisedo Dama, teny Ala­robia, afakomaly, taorian’ny fihaonan’ ny iraka manokan’ny Von­drona Afrikanina (UA). Rehefa […]

Mba ho lalao madio

  Somary mangingina hafahafa izany indray aloha ny eny an-dapa tato ho ato. Asa! Variana amin’ny fitetezam-paritra angamba? Iaraha-mahalala fa mihazakazaka tokoa ny mpanolotsaina ambony midina eny anivon’ny vahoaka ifotony. Anisan’ny mendrika ny hisitraka izany ny Malagasy any ambany ravinkazo. Ny Filoham-panjakana moa manohy ny fandraisan’olona. Mifanindran-dalana amin’izay anefa, miseholany […]

Andriantsitohaina Claudia : Maneho ny fanohanana azy ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena

Tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona an’Andriantsitohaina Claudia eny amin’ny Bianco, saingy tsy mbola navoaka izy. Mampiaka-peo noho ny tsy fanajana ny zony ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena. Efa mihoatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ahafahana manao an­drimaso ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Maneho ny alahelony, araka izany, ny fiarahamonim-pirenena […]

TSELATRA

Fiara fitateram-bahoaka, zotra 144, iray tapaka transmission tetsy Avaradoha, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Nizotra hiakatra an’Ampasapito ity fiara iray ity, feno mpandeha izao nisy olana tampoka izao. Saika niharan-doza noho ny lalana miakatra ireo tao anaty fiara. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo mpandeha anefa, vao nahavita fitsirihana “visite […]