Mois : novembre 2025

Tototry ny tany : Mpitrandraka volamena namoy ny ainy

Olona efatra nifamonjena, nihotsahan’ny tany, tao amin’ny karieram-bolamena iray ao amin’ny tanànan’­ Ambohi­ni­hao­nana, distrikan­’Ifana­diana, ny talata 11 novambra teo. Mivelona amin’ny fitrandra­hana harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ireo olona lasibatra. Nanorana matetika ny andro tao anatin’ny herinandro, nitohy hatrany anefa ny asa andavanandron’ireo mpivelona amin’ny fitrandrahana tao an-toerana. Niho­tsaka […]

Notsindromina antsy : Ramatoa iray hita faty tao an-trano nihidy

Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Tanambao Bitavolo, kaominina Ampasina Maningory, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny talata lasa teo. Nihidy avy any ivelany ny trano ka nosokafana. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra teo ambony fandriana no hitan’ny fianakaviana. Nahitana tsa­toka antsy maro ny vatany, nandritra ny fiza­hana ny razana nataon’ny mpitsabo […]

Fanolanana zaza: Mpivady niara naiditra am-ponja

Niara-naiditra am-ponja izy mivady noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanolanan-jaza tany Miarinarivo. Tovolahy iray kosa migadra 5 taona noho ny fanolanana, tetsy Ankazomanga. Voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, omaly, ny tovolahy nanolan-jaza tsy ampy taona tetsy Ankazo­manga. Niakatra fitsarana tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaha momba […]