Mois : novembre 2025

Barean’i Madagasikara : Nanainga omaly ireo mpilalao avy eto an-toerana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanainga omaly talata ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara avy eto an-toerana. Efatra mirahalahy izy ireo, ahitana an’i Rado sy i Mamisoa ary i Toldo, miampy an’i Nicolas. Ankoatra azy ireo, ny mpanazatra mpanampy, i Hildecoeur. Hihazo avy hatrany an’i […]

Kung-Fu Wisa : Ligim-paritra 13 tonga nanatrika ny atrikasa nasionaly

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibeny, eny 67ha, ny atrikasa nasionaly ho an’ny kung-fu Wisa. Ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany. Fahombiazana no azo nandritra ny atrikasa na­sionaly notanterahina teto Antananarivo, ho an’ny taranja kung-fu Wisa. Filo­ha­na ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany, nahitana ny avy any Atsinanana, […]

Ambatondrazaka : Tany 1000 ha voalaza fa misy mibodo

Manao antso vonjy amin’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana isan’ambaratonga ireo vondron’ny tompon-tany any Antsihanaka. Nambaran’ireto farany, omaly, fa misy olona mibodo ny tanin’izy ireo 1000 ha any amin’ny kaominina telo, anatin’ny disitrikan’ Ambatondrazaka. Tany fambolem-bary izay novidian’ny ray aman-dreniben’izy ireo tamin’ny taona 1933. Nisy olona nokaramaina niasa ny tany tamin’izany […]

Ilaina ny fanabeazana aizana: Vehivavy 10 isan’andro maty eo am-piterahana

Loza mitatao ho an’ny firenena ny mety ho fihenan’ny tolotra momba ny fandrindram-piterahana na fiarovana ny vohoka tsy iriana. Raha ny salanisan’ny Instat farany, vehivavy 10 isan’andro maty mandritra ny fitondrana vohoka na maty eo am-piterahana. Ny 3 amin’ireo dia tovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona. Zava-maika amin’ny fahasalamam-bahoaka ny […]

TARATRY ny KANTO

Misy ny fiantsoana ho fanisana ireo matihanina eo amin’ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana, hataon’ny Organisaton internationale de la francophonie, na ny OIF. Voakasika amin’izany ny Malagasy mpisehatra amin’izy ity, amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto sy ny kontsaina ireo matihanina ireo, ka hiara-hiasa amin’ny […]