Mois : novembre 2025

Karate-« Mada 2025 »: Nanjaka ny ligin’Analamanga

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpika­troka avy eto amin’ny ligin’ Ana­lamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, […]

Ho fampandrosoana ny firenena: Hisy ny fikaonandoham-pirenena kristianina

Hotanterahina ny 19 ha­tramin’ny 21 novambra, etsy amin’ny ISTS Mandrimena Iavo­loha, ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hetsika karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Mada­ga­sikara. “Manana anjara biriky entina hampandrosoana sy hanarenana ny firenena ny kristianina”, hoy Rabenifara Désiré, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana FMBM. Mahatratra 10 ny lohahevitra hodinihina eny an-toerana, mandritra ny herinandro. Anisan’izany, […]

Kianja Barea Mahamasina : Vita ny 90 isan-jaton’ny asa fanamboarana

Nambaran’ny tale jeneraly vaovao, eo anivon’ny orinasa KBM, Rasolovoninjatovo Ma­dy, omaly, fa efa ny 90 isan-jaton’ ny asa, ankehitriny, no efa vita amin’ny fanamboarana ity kianja ity. Ny folo isan-jato kosa, na ny fiandrasana ny fahavi­tan’ireo tohatra eny amin’ny “gradins”, izay singa notakin’ ny Kaonfederasionina afrikanina misahana ny baolina kitra, […]

Famaliana ny fitakiana : Tsy ho very asa ireo mpia­san’ny Sirama Ambilobe

Nidina ifotony tany amin’ny Sirama Ambilobe ny iraky ny fitondram-panjakana. Namaha ny olan’ny orinasa sy ny mpiasa izy ireo tamin’izany. «Ataontsika ny tsy hahavery asa anareo mpiasan’ny Sirama. Efa miroso any amin’ny fandaminana isika izao », hoy izy ireo, nanoloana ireo mpiasa. Nisedra olana tao anatin’ny  telo volana ireo mpiasa, nahatonga […]

« Scène slam » : Omena lanja ny famoronana

Tafiditra ao anatin’ny fampitiavana sy fampivelarana ny tontolon’ny Slam, hanatanteraka fihaonana manana en­drika atrikasa « Scène slam » ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely. Hetsika hotante­rahina ny tontolo andron’ny asabotsy 8 novambra izao. Omen’ny Madagaslam lanja ao ana­tin’izany ny asa famoronana tsy voafehin’ny lohahevitra fa malalaka, amin’ny ambaran’ny vava. Manom­boka amin’ny 10 ora […]