Mois : novembre 2025

Ranomasin’i Katsepy: Tafakatra 14 ireo razana hita

Nitombo ho 14 ny isan’ireo maty an-drano, hita tany amin’ ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Ka­tsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, hatramin’ny omaly ma­raina. Hita tany amin’ny fari-dranomasin’ny Grand pa­vois Mahajanga ny roa, raha tany Marohala kosa ny iray hafa. Naterina any amin’ny tranom-paty CHR Androva ireo ra­zana hita ireo. Marihina fa […]

Fanamafisana ny filaminana : Nametraka paikady ny OMC nasionaly

Nivory miaraka ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana sy ny lafintany, eo anivon’ny OMC nasionaly, afakomaly alina. Niompana tamin’ny filaminana amin’ny ankapobeny ny dinika ka tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny paikady rehetra hiatrehana izany. Anisan’ny nifanakalozan’ ireo tomponandraikitra ny fanamafisana ny filaminana […]

Volley-Amboaran’i Madagasikara : Nifampizaran’ny ekipa efatra ny fandresena

Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona sy ny diviziona faharoa (D2), lahy sy vavy. Nifampiza­rana tanteraka ny amboara tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, sokajy U20 sy D2 lahy sy vavy ity, raha jerena […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny lalan-dRakotomaharo Fy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Échecs, tanterahina any Inde, nanomboka ny 31 oktobra lasa teo. Afapo izy na dia io aza ny vokatra, raha ny nambarany. Ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Doha, ny 25 hatramin’ny 31 desambra, indray […]

Minisitra Rasambany Alain Désiré: “Hojerena avokoa ny taranja rehetra”

Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe tany Espagne, ny faran’ny herinandro teo. Noraisin’ny mi­nisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, omaly, ireo maherifo nandrombaka medaly tamin’ny tompondaka maneran-tany. Nisongadina nandritra ny lahateniny ny hoe: “tsy maintsy hojerena mitovy avokoa ny taranja […]